Actualités

Radio Fahazavana Hivantana etsy Antsahamanitra amin’ny 20 mey


  • Alakamisy 19 Mey 2011


 Tantara mipetraka ho an’ny firenena ny datin’ny 20 mey. Tsaroana, herintaona lasa izay, ny nisian’ny hetsika teny amin’ny FIGN, ka namoizana ain’olona efatra, ka mpitandrina ny iray sy naharatrana olona am-polony. Amin’ity taona ity dia tsy vitan’ny fahatsiarovana izany raharaha FIGN izany ihany fa daty manan-danja satria fotoam-pivorian’reo filoham-pirenena mpikambana eo anivon’ny SADC hamantarana ny mety hoavin’i Madagasikara. Mifanindran-dalana amin’izay dia hanao fotoam-bavaka lehibe etsy Antsahamanitra ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na ny HMF. Araka ny fanazavana dia nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny prefektoran’Antananarivo sy ny Kaominina izy ireo hamory olona hivavaka ho an’ny firenena etsy Antsahamanitra amin’io 20 mey io. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoam-bavaka ka hosantarina amin’ny antsoina hoe : «Radio Fahazavana an-tsehatra». Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hofaranana amin’ny «Ry Nosy mihazava» izay fandaharan’ny Radio Fahazavana ny fotoana. “Ny fahamarinana mandratra firenena”, moa no teny fanevan’ny HMF.

 

Soa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT