Nahemotra ny fito jona ho avy izao ny fitsarana ny raharaha «Radio Fahazavana». Izay no tapaky ny mpitsara tetsy Anosy omaly momba ity raharaha ity.
Raha hiverenana dia olona folo ka mpanao gazety tao ny enina no nosamborina ny alin’ny 20 mey 2010. Notazonina tao amin’ny BC Anosy, tsy azo novangiana nandritra ny herinandro maninjitra, avy eo naiditra am-ponja vonjimaika teny Antanimora nandritra ny 110 andro ngarangidina. Nohidina ny radio ary nogiazana mandraka androany ny fitaovana rehetra tao.
Ny antony dia noho ny filazana fa mampiely vaovao tsy marina izay manakarontana ny saim-bahoaka sy misy fiantraikany amin’ny filaminana anatiny ny Radio Fahazavana. Mbola nampiana fa mitaona miaramila hikomy. Herintaona aty aoriana dia tapaka ny daty hitsarana ny raharaha. Mbola mampiahiahy ny mpanara-baovao ihany ny mety hanjo ireo mpanao gazety satria tsy mety milamina ny toe-draharaha poltika eto amintsika ka mety any no hanamparan’ny sasany ny fony. Na izany aza anefa aloha dia ny fisian’ity governemanta izay lazain’ireo fa iombonana ity dia mety hijanonan’ny fanagadrana maro sy ny herisetra. Mandra-paha...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.