Actualités

Radio Bongolava Feno 20 taona, hiampy televiziona ihany koa


  • Talata 09 Aogositra 2016

Mankalaza ny faha-20 taona niorenany ny Radio Bongolava, vata fandrenesam-peo anisan’ny voalohany indrindra tao Tsiroanomandidy.

 

 Nosokafana ny faran’ny herinandro teo ny fankalazana, niarahana tamin’ny ONG FAMI izay  angady nananana sy vy nahitana izany. Nambaran-dRamanitrarivo  Solofo Narindra, talen’ity Radio fa  fahombiazana hatrany no azon’izy ireo tao anatin’izay 20 taona nijoroany. Anisany ny fanomezana izay tsara sy mahasoa,  iho an’ny mpihaino, indrindra fa ny vaovao  izay mbola hiitatra amin’ny fananganana fahilavitra. Vato fehizoron’izao faha-20 taonan’ny Radio Bongolava izao  ny fananganana trano vaovao hahafahan’izy ireo miasa araka ny tokony ho izy. Ny faran’ny herinandro teo no nanaovana ny ady fototra mifandraika amin’izany, natrehin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny. Marihina moa fa manana mpanao gazety iray miasa eto Antananarivo ny Radio Bongolava mampita ireo karazam-baovao rehetra mitranga eto an-toerana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT