Actualités

Radanoara Julien Mety ho tratran’ny ankivy ara-toekarena isika


  • Zoma 02 Aogositra 2013


Tsy maintsy hanasazy ny vondrona iraisam-pirenena, hoy Radanoara Julien, manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena manoloana ny filazan’i Joaquim Chissano fa azo atao ny manemotra ny fampiharana izany. Ho an-dRadanoara Julien dia manome fotoana kely ho an’ireo kandida manana olana ry zareo vahiny. Sazy mihatra amin’ny isam-batan’olona no hataony nefa mety hiafara hatramin’ny ankivy ara-toekarena izany, araka ny heviny hatrany. “Matahotra ny hisian’ny fanoherana ny voka-pifidianana ataon’ny mpifaninana sasany raha ny 1 amin’izy 3 ireo no lany “no mahatonga ny vondrona iraisam-pirenena mitsipaka ny firotsahan’i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Hita anefa ny tsy fitovian-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ity resaka sazy sy fifidianana ity satria ny Amerikanina izao dia momba ny firotsahan’ny kandida 41, ny Rosiana kosa dia mandrisika ny diniky ny samy Malagasy. Ry zareo Sinoa indray dia milaza ho iray feo amin’ny vondrona iraisam-pirenena nefa maneho fankatoavana ankolaka ny FAT.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT