Efa mivoatra saingy tsy mbola ampy ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny firenena, raha araka ny nambaran-dRabetaliana Hanta, lehiben’ny faritra Matsiatra Ambony teo aloha.
Aminy dia mbola vitsy ireo vehivavy manana finiavana te hanao zavatra eto amin’ny firenena, eny fa na dia ny eny anivon’ny orinasa aza. Tsy mifandanja mihitsy ny isan’ny lahy sy ny vavy na izany aza no tokony ho izy. Mahatsara zavatra anefa ny fisian’ny vehivavy betsaka anatina orinasa iray na eo anivon’ireo rantsana mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena noho izy mahavita zavatra kokoa raha oharina amin’ny lehilahy. Manana finiavana ihany koa no sady manana fandavan-tena na dia manana adidy lehibe eo anivon’ny tokantranony aza. Hentitra kokoa ihany koa ny vehivavy no sady tsy mora resin’ny kolikoly raha oharina amin’ny lehilahy. Tokony hampitomboana, araka izany, ny isan’ny vehivavy mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena, raha tiana marina ny hampandrosoana an’i Madagasikara hoy ihany ity mpandraharaha ity. Tafiditra ao anatin’izany ny sefom-pokontany, ny Ben’ny tanàna, ny mpanolotsaina, ary ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Miantso ny vehivavy rehetra mba handray andraikitra Rabetaliana Hanta, araka izany. Ny indro kely ho antsika vehivavy Malagasy fotsiny araka ny nambarany ihany raha oharina amin’ireo vehivavy aty amin’ny tany Afrikana dia ny tsy fahampian’ny firaisankina hiaraka hanao zavatra tsara izay tokony hatao ihany koa, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny andron’ny 08 Martsa izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.