Actualités

Rabetahiana Parfait Pascal “Hohajaina ny datim-panadinana rehetra”


  • Zoma 13 Aprily 2012

Raharaha anisan’ny mitana ny sain’ny maro ny olana miseho lany eo amin’ny sehatry ny fanabeazam-pirenena. Nanamarika izany ny fitokonan’ny SEMPAMA sy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana manoloana izany, ny mety fiantraikany amin’ny fanadinam-panjakana. Toy izany koa ny fisian’ny DREN roa amin’ny Faritra sasany sy ny fisian’ny mpitrandraka volamena eo an-tokotanin-tsekoly iray ao Masomeloka Mahanoro. Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Rabetahiana Parfait Pascal, Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, mitondra fanazavana.

 Tia Tanindrazana (TT) : Efa iray volana mahery izao no mitokona ny mpampianatra ao amin’ny sendika SEMPAMA amin’ny faritra maro. Tsy raharahain’ny ministera mihitsy ve izany ny fitakian’ireo mpanabe ireo matoa tsy misy vahaolana hatramin’izao ?

Rabetahiana Parfait Pascal (RPP) : Mikarakara ny famaliana ny fitakian’ny SEMPAMA tokoa izahay. Porofon’izany dia efa nisy ny fifampiresahana tamin-dry zareo raha mbola tsy honohono akory ny fitokonana. Raha namoaka fehin-kevitra ny SEMPAMA tamin’ny filankevi-pireneny tamin’ny faran’ny volana oktobra 2011 dia nilaza fa amin’ny Repoblika faha-4 vao haroso ireo. Tampoka teo anefa dia nanatanteraka fitokonana fanairana ny SEMPAMA ny 01 martsa 2012 raha tokony hialoavan’ny fifampidihina izany. Notohizan-dry zareo fitokonana lavareny avy hatrany io hetsika fanairana nataony io avy eo. Na izany aza dia nisy ny fihaonako tamin’ny solonten’ny SEMPAMA Antananarivo narahan’ny fihaonana tambambe natao teto amin’ny Ministera izay nilazana tamin’izy ireo fa tsy vitan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena irery ny mandray fanapahan-kevitra momba ireo fitakiana fa iarahana amin’ny ministeran’ny tetibola sy ny ministeran’ny asam-panjakana. Rehefa naroso azy ireo anefa ny sosokevitra hananganana delegasiona ahitana ny solotenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenea sy ny SEMPAMA hifampiresaka amin’ny tomponandraikitry ny ministera roa hafa dia nilaza izy ireo fa tsy afa-po amin’ilay soso-kevitra no sady lava loatra izany. Noho izay tsy fahafaham-pony izay dia nangataka fihaonana tamin’ny Praiministra ny SEMPAMA ary efa nisy in-droa miantaona izany. Nampiantso fivoriambe ny Fiadidiana ny praiministra ny alarobia 11 aprily 2012 teo ka samy nasainy tamin’io ny SEMPAMA, ny ministera miaraka amin’ny DREN 22 ary ny praiminisitra no nitarika ny fivoriana.

TT : Misy fanapahan-kevitra tapaka ve tao sa mbola fivoriana mirava maina ihany tahaka ireo teo aloha ?
RPP : Mizara roa mazava tsara ny resaka. Voalohany dia nanome toromarika ny Praiministra handoavana izay zo sy ambim-bola ambiny rehetra toy ny tambin-karama amin’ny fitsarana ny CEPE 2010 sy ny BEPC 2011. Marihiko aloha fa vao tamin’ny taona 2010 no nisy ny tambin-karama amin’ny fikarakarana sy ny fitsarana ny CEPE, izany hoe tsy tafiditra tamin’ny volavolan-dalàna fandaniam-bolam-panjakana 2010 io lalambola fa vao noforonina ka izay no mahataraiky azy. Ny fanovana ny taha amin’ny tambin-karama kosa no nanahirana tamin’ny BEPC 2011. Tsy niandry ny toromarika avy amin’ny Praiministra anefa izahay satria efa voaloa ny ankamaroan’ny tambin-karaman’ny mpampianatra nandray anjara tamin’ireo fanadinana ireo afa-tsy amin’ny Faritra enina sisa. Efa nalefa koa ny famatsiana ho an’ny mpampianatra FRAM fa miankina amin’ny toerana fandraisana azy, ny rantsan’ny tahirimbolam-panjakana na ny Paositra, no mahaela ny fahazoany ny volany. Faharoa dia ny fijerena ireo fitakian’ny sendika. Izay mahakasika ny mpampianatra irery ihany anefa no nodinihana satria misy fitakiana sasany toy ny hofan-trano sy ny volan-jaza izay iraisan’ny mpiasam-panjakana rehetra. Rehefa nokajiana ny «indemnité de risque, de craie, d’éloignement et d’enseignement» takian’ny SEMPAMA dia mahatratra 210 miliara isan-taona ny vesany amin’ny kitapombolam-panjakana.

TT : Manaiky hanome io vola be io ve ny minisitry ny fitantanam-bola sy tetibola ?
RPP : Samy tsy teto an-toerana ny minisitry ny tetibola sy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena fa mamita iraka any ivelany. Rehefa tonga izy ireo dia hatolotra azy mirahalahy ireo tarehimarika ireo dia ho hita eo izay hambarany raha zaka io na koa hanolotra sosokevitra hafa ny Ministeran’ny tetibola. Marihina fotsiny fa ny Praiminisitra na ny minisitry ny fanabeazam-pirenena dia samy mahita fa tsy rariny ny hakelin’ny karaman’ny mpampianatra saingy ilay fotoana anatanterahana ny fitokonana no mila ifampidinihana. Tsy demokratika amiko ny fanaovana grevy araka izay saim-patatra amin’izao vanimpotoan’ny fanadinana izao.

TT : Mandra-pahoviana izany vao hivaha ity olana ity kanefa ny fanadinana efa akaiky ?
RPP : Mizaraza ny hevitry ny mpampianatra satria samy manana ny fitakiany izy ireo. Momba ireo mpampianatra FRAM mitaky ny famatsiany dia mihevitra izahay fa tsy hitokona intsony izy ireo rehefa voavaha ny olany. Misy koa ny mpampianatra sasany izay hiverina hiasa raha vao milamina ny “vacation” sy ny antontan-taratasy isondrotany kilasy izay mbola tara amin’izao. Ny sokajy fahatelo dia ireo manohana ny fitakian’ny SEMPAMA. Raha ny tatitra azonay dia misy Faritra tsy misy mitokona mihitsy toy ny any SAVA, Anosy, Androy... Ao koa ireo misy Cisco sasany ihany no mitokona fa ny tena mafana izao dia ny ao Matsiatra Ambony satria mikatona avokoa ny sekolim-panjakana ao Fianarantsoa. Torak’izany koa ny tanàna amin’ny lalam-pirenena faha-7 sasantsasany.

TT : Araka ny nambaran’ireo solontenan’ny SEMPAMA avy any amin’ny Faritra dia noho ny teritery ataonareo sy ny DREN no mahatonga ny mpanabe sasany matahotra ka tsy manaraka ilay fitokonana?
RPP : Nanome toromarika ny praiminisitra fa tsy misy mpikambana SEMPAMA enjehena noho ny fandraisany anjara amin’ny fitokonana satria zo sendikaly izany. Ireo solontenany niara-nivory tamin’ny alarobia koa anefa dia nohafarana mafy tsy hanery ny namany izay te hampianatra hanaraka ny grevy. Tsy azo atao sorona mantsy ny zaza Malagasy.

TT : Afaka manome toky ve ianareo fa hisy ny fanadinam-panjakana amin’ity ?
RPP : Efa mandeha ny fifanakalozan-kevitra ary manome toky ry zareo fa voahaja ny daty rehetra. Na misy aza anie ny grevy dia misy ny fanaovana “cours de rattrapage” ho an’ny mpianatra manala fanadinam-panjakana ataon’ireo mpanabe ao amin’ny SEMPAMA ireo.

TT : Tena mahatapak’ahitra ve ianareo mpitantana ity minisitera ity ? Misy Faritra sasany manana DREN roa kanefa tsy misy fandraisana andraikitra avy aty amin’ny foibe ?
RPP : Ny DREN ao Atsimo Andrefana dia napetraka tamin’ny alalan’ny “note de service” ary nesorina tamin’ny alalan’ny “note de service” koa. Noho ilay fanambarana navoakan’ny fiadidiana ny FAT izay milaza ny fampitsaharana ny famoahana “note de service” fanoloana tomponandraikitra anefa dia manda tsy mety hiala io DREN io. Ny ao Sofia indray dia tamin’ny alalan’ny didim-pankajana no nanendrena ilay DREN tao ka tsy manaiky hesorina amin’ny alalan’ny “note de service”.

TT : Efa ela ireo raharaha ireo koa nahoana no mbola tsy voavaha foana ?
RPP : Maro ireo raharaha nanahirana tao ho ao izay tsy nahafahana nandray fanapahan-kevitra maimaika, anisan’izany ireny resaka fanoloana lehiben’ny Faritra ireny. Ankoatra izay dia matetika no voairaka any ivelany ny minisitra. Vao avy namonjy fivoriana tany Burkina Faso ny tenany dia tany Kenya indray ary any Parisy izy izao. Efa vonona anefa ny didim-panjakana manala ireo DREN ireo fa miandry ny sonian’ny filohan’ny FAT sisa.

TT : Misy mpitrandraka volamena ny tokotanin’ny sekoly ao Masomeloka Mahanoro. Inona no andraikitra noraisin’ny ministera ?
RPP :
Efa noroahin’ny DREN any Atsinanana ireo mpitrandraka ireo. Ankoatra izay dia efa nalefa any amin’ny tale misahana ny harem-bakoka sy ny fotodrafitrasa ny antontan-taratasy momba io raharaha io ary efa any am-pelatanan’ny tale misahana ny disadisa koa.

Nangonin’i Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT