Actualités

Ra-Norbert Atahoran’ny FAT, nosamborina avy hatrany


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Ny DST no nisambotra azy raha vao nivoaka ny “mandat d’arręt” avy any amin’ny manam-pahefana. Afak’omaly alina izy no voasambotra, fotoana fohy taorian’ny nandefasana “avis de recherche” teny anivon’ny mpitandro ny filaminana.

 Omaly dia nandeha ny feo fa efa nalefa eny amin’ny “brigade de recherché” na koa ny “brigade criminelle” io lehiben’ny fikambanan’ny ambany tanàna izay mahazaka olona eny amin’ny faritra iva io. Rehefa nohamarinina anefa dia mbola notazomina ao amin’ny DST ihany aloha hatramin’ny omaly alina ny lehilahy. Raha araka ny vaovao azo dia nosamborina izy rehefa voarohirohy ho mpamatsy vola ireo fivoriana miaramila nitranga tato ho ato. Vola avy aiza ary inona no ilain’ny miaramila vola raha hivory ? Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana mahakasika ny zava-nitranga. Eo ihany koa ny hamehana tamin’ny nisamborana azy izay toa midika fa tena hatahorana mafy Ra-Norbert. Mbola mitohy ny fitazonana azy ao amin’ny DST ary torak’izany ihany koa ny fanadihadiana…

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT