Actualités

Ra-Norbert Afa-nenina ny DST, navotsotra fa tsy nisy porofo


  • Zoma 09 Septambra 2011

Navotsotry ny DST, omaly, i Norbert Razafimbelo, fantatra amin’ny anarana hoe Ra-Norbert. Raha araka ny heno dia efa afak’omaly alina izy no nanomboka nentina teny amin’ny fampanoavana.

 Notohizana mangingina teny Anosy izany fanolorana azy ny fampanoavana izany, saingy tsy hita izay porofo nitazomana azy ka navotsotra i Norbert Razafimbelo. Tsy vitan’izay aza fa natsahatra avy hatrany ny fanenjehana azy, izany hoe tsy misy ny fitsarana satria “dossier classé sans suite”. Raha tsiahivina dia 14 andro katroka no nitazonana an-dRa-Norbert tao amin’ny «brigade criminelle» etsy Anosy. Birao fotsiny ihany io fa ny DST no nanao ny fanadihadiana azy.

Efa natao avokoa ny fisavana ny tranony sy ny fitadiavana porofo fa izy no mpamatsy vola ireo miaramila mivorivory izay mikononkonona hanongam-panjakana. Nandamoka avokoa izany raha oharina amin’ity fanapahan-kevitry ny fampanoavana ny hamotsotra azy ity. Omaly ihany Ra-Norbert dia nisaotra ireo nanohana azy nandritra izay fitazonana azy izay. Anisan’ny nasongadiny tamin’izany ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka. Nandresy izany ny “Favoria” izay fikambanana notarihan-dRa-Norbert rahateo. Foana hatreo ny ahiahy fa mety hihetsika ny ambany tanàna. Midika ho fahafaham-baraka ho an’ny mpanao fanadihadiana indray ny zava-misy satria raha izao no fandehany dia tondro molotra izany no nitazonana olona nandritry ny tapabolana …

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT