Ravan’ny polisin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) omaly misandratr’andro ny andian-jiolahy iray raha iny teo am-piomanana hanafika teny amin’ny manodidina an’Ankadivato, Boriborintany fahatelo iny.
Tonga ara-potoana ny polisy vao nahazo fampandrenesana amin’ny fisiana andian’olona mampiahiahy teny. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy vao nahita ny fahatongavan’ny andiana polisy mirongo gasy mahery vaika sady nisaron-tava. Raikitra ny fifanenjehana hatrany Faravohitra nitohy teny Ankadivato sy ny fifamaliana tifitra teo amin’ny roa tonta, saingy tsy lasa lavitra fa teo amin’ny arabe ambadiky ny EPP Ankadivato ny roa tamin’ireo jiolahy no tavela niaraka tamin’ny basy saika hanafihana, dia voatifitra ary maty tsy nandalo fitsarana. Mbola nifanenjehana kosa ny naman’izy ireo roa. Anisan’ireo jiolahy mpanafika sy mpandrava amin’iny faritra manodidina an’Ampandrana sy Faravohitra iny ireto jiolahy ireto.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.