Actualités

Quincaillerie voatafika Nirefotra ny basy, lasan’ny jiolahy ny 8 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013

Lasibatry ny jiolahy mitam-basy ny tranombarotra MOMO ao Bazary Be Toamasina ny sabotsy 27 jolay, tokony ho tamin’ny 11ora antoandro.

Andiany efatra tahaka ny mahazatra izy ireo sy mitaingina moto scooter, ka ny roa miditra manao ny halatra na manapoaka basy, ny roa ambiny kosa manao tazan-davitra sy mitifitra avy hatrany raha misy ireo olona sy mpitandro ny filaminana miditra an-tsehatra. In-droa nipoaka ny basy tamin’ity fanafihana ity, ny iray tao anatin’ilay tranombarotra, ny iray hafa teny ivelany nandritra ny fitsoahan’ireo jilahy. Lasa tamin’izany ny vola 8 tapitrisa Ariary vidina simenitra lafo ny maraina. Raha ny fanazavan’ireo nahita sy niharany, dia maty ny moto scooter iray an’ireto jiolahy ireto ka voatery natosika. Voalaza ihany koa fa mbola tovolahy tsy ampy taona ny telo, ny iray kosa efa rangahy 50 taona any, hoy ireo nahita. Tsy naharitra 5 minitra ny fanafihana, ka nionona tamin’ny fanadihadiana sy fanarahan-dia tsy nahitam-bokatra ny mpitandro ny filaminana. Ankoatra izay, ny alatsinainy 22 jolay teo koa tokony tamin’ny 10ora maraina, dia lasibatry ny jiolahy koa ny tranombarotra TELMA Ambolomadinika, ka lasa ny vola 2 tapitrisa Ariary. Raha ny fanazavana azo tamin’ny ambina bala hitan’ireo mpatandro ny filaminana dia misy ifandraisany ireto trangam-panafihana ireto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT