Actualités

QMM Tolagnaro Mbola tsy mihodina ny famokaran’ny orinasa


  • Talata 06 Desambra 2022

Efa ho herinandro izao no mikatso ny asa fitrandrahana rehetra, ny fikirakirana sy ny fitanterana ireo vokatra toy ny ilmenita, monazita sy zirsily ataon'ny orinasa QIT Madagascar Minerals (QMM) ao Tolagnaro vokatry ny sakana

nataon'ny andian'olona, nanomboka ny 1 desambra lasa teo, tamin’ny lalana mihazo ny toeram-pitrandrahan’i QMM ao Mandena ka tsy nahafahana niditra tany an-toerana am-pilaminana. Nandray fanapahan-kevitra ny fitantanana ny orinasa nanajanona ireo fitaovana sy milina samihafa natao hamokarana tsy ho simba sy ho fiarovana ny mpiasa sy ireo mpiara-miombon'antoka. Na izany aza dia nametraka ekipa voafetra ny QMM hisahana ireo asa laharampahamehana raha mbola azo atao ny miantoka izany am-pahatoniana sy ho fanohizana ny famatsiana herinaratra ny tanànan’i Faradofay, ho fiantohana ny fanaraha-maso sy ny fanajàna ireo adidy manoloana ny tontolo iainana ka tafiditra ao anatin’izany ny fitantanana ny rano. Nanamafy tamin’ny fampitam-baovao nataon'ny ny QMM fa mbola maneho hatrany ny fahavononany amin’ny hiatrehany ny tohin’ny fitantanana ireo fitarainana voaray mifandraika amin’ny fifanarahana vita sonia ny faha-20 mey 2022 lasa teo amin’ny fomba mahitsy, manaja ireo lalàna manankery ary tsy mitanila ka ny tanjona dia ny hisian’ny filaminana maharitra sy ny hanamafy ny fifampiresahana eo amin’ny lafiny ara-tsôsialy eto amin’ny faritra Anôsy.
Nangonin'i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT