Tsy afaka nody fa voatery nijanona tao anatin’ny toeram-piasany ireo mpiasan’ny kaominina manodidina ny 700 isa ao amin’ny QMM Taolagnaro alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy.
Antony ny fanakanan-dalana nataon’ny olona maherin’ny 200, nampitohy ny lalana mihazo an’i Taolagnaro sy Mandena. Nanao hetsika, hanerena ity orinasa ity hanonitra ny fandrarana ny asa fanjonona any an-toerana vokatry ny rano voalaza fa niteraka fahafatesana trondro tany an-toerana ny faha-12 martsa ny olona manodidina ny 200, hoy ny fanazavana. Milaza iteo, fa misy niantraika tamin’ny fiainan’izy ireo ny fepetra noraisin’ny tomponandraikitra tany an-toerana, taorian’ny fahitana ireo trondro maty, manodidina ny rano nivoaka ny faritry ny orinasa. Fandrarana izay tokony hofoanana na hotohizana rehefa mivoaka ny valin’ny fitsirihana natao mahakasika ny rano tany an-toerana , saingy mbola tsy nivaly sy nambara am-pahibehimaso hatramizao, hoy ny mpitokona. Nilamina ireo mpanao fihetsiketsehana tamin’ny andro voalohany. Nisy ny fihaonana sy fivoriana niaraka tamin’izy ireo sy ny governoran’ny faritra Anosy ny Talata, ary nahitana vahaolana izany, saingy niverina indray ireo mpanao fihetsiketsehana afak’omaly. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana ka afaka nody ireo mpiasa omaly maraina. Manamafy ny orinasa QMM etsy andaniny fa raha ny antontan-kevitra eo ampela-tanan’izy ireo hatrizay dia tsy tokony hisy fanahiana ny rano mivoaka avy amin’io orinasa io, satria efa misy ny fitiliana sy fanaraha-maso izany. Andrasana hatrany anefa ny valin’ny fitiliana izay natao farany, mba hanamarinana ny zavatra misy marina. Mifamahofaho tanteraka ity raharaha ity satria etsy andaniny, dia misy ny feo mandeha fa trondro maty niniana natsipy no misy. Efa nisy ihany koa ilay resaka hampanaovan’ny Fanjakana « audit » ny QMM saingy tsy re ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.