Projet Islands

COI Paik’ady ho amin’ny fampandrosoana maharitra


  • Zoma 02 Aogositra 2013

Natomboka omaly ka hifarana anio ao amin’ny hotely Carlton Ampefiloha ny dinik’asa ho an’ny fijerena ireo paik’ady ho amin’ny fampandrosoana maharitra, indrindra ny toy ny tany Nosy toa antsika eto Madagasikara anatin’ilay tetikasa «Islands».

Ity fihaonana roa andro eto Antananarivo ity dia hiarahan’ireo manampahaizana rehetra eto amin’ireo Nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana mifampizara traikefa tahaka ny nahatonga ny Nosy rahavavy Maorisy nanana paik’ady ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Ny Vondrona Eoropeanina no mpamatsy vola ity tetikasa «Islands» ity ary ny Kaomisiona ivondronan’ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana no mpanatanteraka ny asa. Ny tanjona amin’ity atrikasa ity dia ny hahitana ireo paik’ady amin’ny fotoana voafetra sy maharitra ho fitsinjovana ireo harena voajanahary, indrindra fa ny 60%-n’ny mpiatrika dia miaina amin’ny faritra amorontsiraka avokoa. Ankoatra izay dia ny fanamafisana ny fifampizarana traikefa sy ny fifanakalozana misimisy kokoa amin’ireo Nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana amin’ny paik’ady ho amin’ny fampandrosoana maharitra no tanjon’izao fihaonana rezionaly izao.

Nangonin’i Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT