Nisafidy an’i Toamasina nanaovana fampahafantarana ny tsy fetezam-pitantanana sy ara-politika ankehitriny ny ekipan’ny profesora Zafy Albert ny sabotsy teo. Fihaonana nataony tao Tanambao V.
Nandritra ny kabary nataon’ny profesora Zafy no nilazany fa «hiteraka ady an-trano tsy ho ela eto amintsika izao tetezamita lava be tsy fahita maneran-tany izao. Efa fihokoam-bahoaka ny zava-misy ao atsimon’ny nosy izao, satria aiza koa ny dahalo indray no mihantsy ny mpitandro ny filaminana sy ny fitondrana». Efa nolazaiko tamin’Atoa Fransman, hoy ny Pr Zafy fa izy ireo ihany no nilaza ny hanaovana ny diniky samy Malagasy amin’ny andininy faharoa ny tondrozotra. “Tsy azo ekena ihany koa ny andininy faha-32 milaza ny tsy fahafahana manongana sy manala ary mametraka fitsipaham-pitokisana amin’ny filohan’ny tetezamita”, hoy ny Pr Zafy fa “midika fanjakan’andriana izany, koa noho izany tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina no tadiavin’ny Malagasy, sy mahatonga azy mitroatra ankehitriny izao manerana ny nosy». Tahaka ny mahazatra an’ny profesora Zafy dia, nisy koa ny ampamoaka nataony nandritra ny kabariny.
Anisan’ny vaovao navoakany tao Toamasina koa ny filazana fa nametraka antontan-taratasy momba ny fangalaram-bola mahatratra 287.000 tapitrisa Ariary nataona mpitondra ambony ny tenany, nefa tsy nasiana tohiny izany hatramin’izao, tahaka ny nataon’ny fitsarana tsy nanao fanadihadiana akory ny fitoriana nataony teo anivon’ny fampanoavana tao Antananarivo. Noho izany, dia «mila tena fanovana ny Malagasy, ka tokony hapetraka ny safidy amin’ny lalàmpanorenana roa eto amintsika, fa efa nampisy ady sy korontana tao anatin’ny 52 taona ny fitondrana entin’ny filoham-pirenena». Ankoatra izay, dia tsy nomen’ny OMC FAR Toamasina alalana nanao ity hetsika ity ny ekipan’ny profesora Zafy Albert, ka nahatonga azy notsenaina tao Sarimasina mihitsy ny zoma hariva notarihan’ny lehiben’ny antokon-tafika tao Toamasina sy ny lehiben’ny Distrika, nefa tsy nanakana azy ireo nanao ny «carnaval» eran’ny tanàna sy nanao ity hetsika teo amin’ny kianja Tanambao V ity. Tsy nahitana fiaraben’ny mpitandro ny filaminana koa ny manodidina ny toerana nanaovan’izy ireo hetsika na efa tamin’ny 05ora sy sasany aza vao nirava ny hetsika natao raha tamin’ny 04ora sy 15mn no tonga teny ny profesora Zafy Albert.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.