Actualités

Profesora RABI “Hebreo ny Malagasy”


  • Alakamisy 10 Aprily 2014

Efa fotoana tokony hahafantaran’ny Malagasy ny momba azy izao, hoy Profesora Rabi, Malagasy ray, Malagasy reny nanao fikarohana momba ny Malagasy sy ny tantarany am-polony taona taona teto an-toerana sy tany ivelany.

 Fidirana tamina orinasa iray saika hanao bizina tany ivelany no nisantaran’ity profesora ity ny fikarohana nataony. Nambaran’ny tompon’andraikitra tao amin’io orinasa io taminy mantsy fa tsy afaka miara-miasa afa-tsy amin’ny Jiosy izy ireo. Nisy anefa ireo nilaza taminy tamin’izany fa Jiosy ny Malagasy ka nanomboka nanao fikarohana izy. Mitotaly 3.780 pejy ny boky nanaovany fikarohana mikasika izany ka anisan’ny nolalovany ny tao Egypta. Fantany tamin’izany fa Hebreo ny Malagasy. Ny teny hoe : “manao ahoana”, hoy izy dia avy amin’ny teny Hebreo.

Tsy notazoniny ho azy samirery anefa ny fahalalana ananany fa hozarainy amin’ny Malagasy rehetra, indrindra amin’izao lalan-tsarotra lalovan’ny firenena izao. Tsy afaka handroso mihitsy isika, hoy i Profesora Rabi raha tsy mahafantatra izay momba antsika. Marary ny Malagasy vokatr’io tsy fahalalana io. Vahaolana tsotra no aroson’ity profesora ity, tsy misy resaka politika ary tsy hidiran’ny fivavahana ihany koa. Tsara raha mahalala ny momba azy ny Malagasy rehetra mba hahafahana mampiakatra ny hambom-pony fa tsy handevozin’ny hafa foana. Hampitahaina tamin’ny andron’i John Sadler sy Richard Brothers nampiakatra ny hampom-pon’ny vahoaka Amerikanina tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny momba azy ireo moa ny zava-misy tokony hiainantsika ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT