Misokatra ny fisoratana anarana amin` ny fifaninanana “Prix des droits de
l`Homme 2020 » izay karakarain` ny biraon` ny HCDH (Haut Commissariat aux droits de l`homme à Madagascar). Izany dia ho fankasitrahana ireo olona na vondrona mendrika amin`ny fanajàna ny zon` ny olombelona teto amin`ny firenena nanomboka ny 01 janoary 2020. Voakasik`izany manokana ireo olona na ONG, teratany Malagasy, izay nisahana andraikitra na asa ho amin`ny fampanajàna ny zon` ny olombelona, ny ady amin`ny fanavakanvahana na koa amin`ny fanohanana ireo vondron`olona marefo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.