Raha ny tokony ho izy ny fepetra teo aloha noraisina tamin’ny filan-kevitry ny minisitra dia filankevitra ihany no mamerina azy, hoy ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian omaly. Ny resaka famoriana olona 50 dia lafiny teknika. Tsy mbola mihatra io isa 50 io hatreto, ary ny resaka fahazoan-dàlana dia ny karazana hetsika samihafa: ara-kolontsina, kolotoraly, izay misy fangatahana raha tsy any am-piangonana no manao hetsika toy ny nataon’ny FJKM, ary takianay foana ny fanajana ny fepetra sakana. Ny any am-piangonana, dia ny fepetra sakana ihany no takianay. Mbola mihatra daholo ny fepetra sakana na eto Antananarivo na manerana an’Alamananga. Ny lalàna misy foana ary efa nisy “arrêté” navoakanay ho fampiharana ny voalazan’ny filoha hoe asa mahasoa ny daholobe (TIG) no sazy mihatra ho an’ireo tsy manaja fepetra, ary fampiharana an’izay no natao. Eo anatrehan’ny fitomboan’ny tranga dia nohenjanina kokoa ny sazy satria betsaka ny tsy miraharaha ny tenany sy ny hafa. Isan’izany ny fanadiovana tatatra, dabam-bako, làlana,… Tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny tenany sy ny manodidina azy ny tsirairay, ary tsy mahafaty ny sazy. Tokony hajaina daholo na aiza na aiza, anaty taksibe, anaty biraom-panjakana, hoy io tompon’andraikitra io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.