Nandritra ny fitsidihana nataony tany Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo, naneho ny heviny mahakasika ny fiakaran’ny vidim-bary ankehitriny ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Araka ny filazany, fanakorontanana saim-bahoaka ny fampiakarana ny vidim-bary amin’izao fotoana izao ary tsy azo ekena. Tsy misy antony tokony hiakaran’ny vidim-bary satria na ny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena aza midina, hoy ny praiminisitra. Tsy ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ihany anefa no mamaritra ny vidin’ny vary eto amintsika fa ny lafiny fitaterana, ny vidin-tsolika ary indrindra ny haratsin-dalana. Ilaina ny fanamboaran-dalana mba hivoahan’ny vokatra. Adidin’ny fanjakana ny manara-maso sy manasazy ireo mpijirika sy mpanararaotra saingy tsy mbola misy asa mivaingana ny mahakasika izany hatreto. Efa ela no nitakian’ny mpanjifa ny zony saingy mbola antso an’efitra aloha izany mandrak’androany. Raha voahaja anefa ny zon’ny mpanjifa ka mipetraka ny lalàna manasazy ireo mpanam-bola mangorona ny vokatra amin’ny vidiny mora ka manafina ary mivarotra azy io amin’ny fotoana maha lafo ny vokatra dia mba mety hivaha amin’ny ampahany ny olana. Ilaina ny asa mivaingana fa tsy lany andro amin’ny kabary ambony latabatra lava izao.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.