Nampita hafatra tamin’ny antso an-telefaonina avy any Antsiranana amin’ny
maha solontenan’ny ray aman-drenin’ireo zanak’avaratra azy omaly ny Pr René Rasolofo, mpanao politika sy mpitarika ny hetsika Harenantsika ireo nosy ireo, fa tokony avoaka faran’izay haingana ireo mpianatra am-polony mahery voalaza ho nosamborina tany an-toerana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Hatramin’izao (TTF: Hatramin’ny omaly) dia mbola tsy nisy nivoaka ireo mpianatra ireo, hoy izy. Takiana tsy misy hatak’andro ny fialan’ireo miaramila ao amin’ny “Campus Universitaire” ao Antsiranana satria tsy “camp militaire” io. Takiana ny famahana ny olan’ireo mpampianatra amin’ny oniversite. Isany ny karaman’ireo mpampianatra hatramin’ny 2017 ka hatramin’izao, indrindra, ny an’ireo an-tselika na “vacataire”. Tsy zarizary ny tontolom-piainan’ny mpianatra. Potika ny oniversite. Fanaovana tsinontsinona ny fiainan’ny mpianatra sy ny fampianarana amin’ny ankapobeny izao zava-misy izao. Tsaroako tsara ny tenin’ny SEG mikasika ny tranga tany Imerintsiatosika hoe tsy azo atao mihitsy izany manafika toby na kazerina izany. Amin’izao fotoana izao izany dia ny miaramila indray no manafika “Campus universitaire”. Tsy ny mpianatra no manafika “Camp militaire” fa ny miaramila no manafika “Campus universitaire”. Mamoafady izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.