Manao ranolava ny fanehoan-kevitra eo am-piandrasana ny fanambarana ny vokatry ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika sady Filoham-pirenena notontosaina ny zoma 25 oktobra 2013 teo.
Samy manana ny fomba fijeriny, ny hevitra rahateo tera-bary. Ho an’ny Profesora Ranjeva Raymond dia “mazava izao ary tsy azo iadian-kevitra intsony ny fandavan’ny Malagasy ny fanonganam-panjakana ho fomba handrobana ny fitondrana”. Sady tsy eken’ny maro an’isa izany, hoy izy, no tsy ankatoavin’ny vahoaka malagasy ny fahefana ankehitriny. Nitsotra ity mpahay lalàna sady mpitsara iraisam-pirenena ity fa tsy nampoiziny ny herim-panahy nanainga ny maro ary anisan’ny tsy natoky izy fa mbola hanana vy miaina haneho sy safidiny ny mpiray tanindrazana. Tsy mbola vita tanteraka ny lahasa eo amin’ny fampanjariana ny fifidianana, hoy izy. Na izany aza dia efa lasitra hahitana ny soritra mikasika ny valim-pifidianana ireo tarehimarika efa nampahafantaran’ny CENI-T sy efa mielipatrana ankehitriny.
Tokana ny marina
Manaraka izany, tsy manaiky ny hiantehitra amin’ny hazo tsy fantatra sady tsy mankasitraka ny fampanantenana matavy ny mpifidy no handikana ny fiparitahan’ny vato azon’ireo nanodidina ny Tetezamita ka nilatsaka, hoy ny Profesora Ranjeva Raymond. Tsy matoky ny vahoaka fa ny paika sy rafitra najoron’ny mpitondra ankehitriny sy ny mpiara-dia aminy no hitondra amin’ny fandrosoana sy ny fiadanana eo amin’ny mpiara-monina, hoy izy. Mitaky aina, fisainana, fihetsika vaovao izy hanasitranana ny firenena amin’ny maharary nandetehana azy. Ny hendry ihany no anarina, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka sady mpanao gazety tranainy ity. Antoky ny filaminana sy fifampitokisana ary ny fihavanana ny fomba fiasa manaja ny mangarahara eo amin’ ny fampahafantarana ny voka-pifidianana : haingana fa tsy alona ny famoahana ny tarehimarika am-pelatanana, ampitahaina ny tarehimarika samihafa, tandremana ny tsy hiterahan’ny vato ... Tsy ampy, hoy izy, ny milaza fa manana ny farateny araka ny fitsipi-dalàna ny CENI-T sy ny Ivontoerana samihafa raha tsy hitam-poko sy hitam-pirenena fa tena mangarahara sy azo itokiana tokoa na ny olona tompon’andraikitra na ny fomba fiasa. Tompony tsy mangataka ny atiny ny vahoaka Malagasy. Nilaza ny Profesora Ranjeva Raymond fa fanetren-tena miainga amin’ny fanekena ny kiana sy tsikera sy finiavana hanome fanazavana mahafa-po no antoky ny fahombiazan’ny CENI-T sy ny CES. Basy atifi-kavana ka arangaranga etoana. Eo anoloan’ny tatitra voaray dia antitranterina fa tsy azo leferina na ekena ny fanodinkodinana, ny fangalarana sy fanesorana vato, ny fomba mamoafady samihafa ilazana fa marina ny diso na ny hosoka. Tokana ny marina ary tsy mety maty rehefa marina.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.