Tsy mety ny fanapotehana ireo fotodrafitrasa sy ny fananam-panjakana ao amin’ny campus Ambondrona tamin’ny fitakiana nataon’ireo mpianatra, hoy ny filohan’ny oniversite Mahajanga Rabesa Zafera Antoine raha nitsidika io toerana io ny tenany ny alatsinainy maraina teo.
Araka izany dia nitety ireo tranom-pianarana maro ireo tompon'andraikitry ny oniversite tamin’io nijery ny zava-nisy nandritra ny enin-bolana nisian’ny fitokonan’ireo mpianatra izay. Anisan’ireo nitondra faisana ny sampandraharaha misahana ny fitsanjarana ny trano na ny COUM eo anivon’ny oniveriste izay nahitana famaizana ka tsy misy noraisina ireo antontan-taratasy tao. Nilaza ny profesora Zafera fa hanomboka tsy ho ela ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba tao amin’ny campus Ambondrona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.