Nandiso ny zavatra nolazain’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson tao amin’ny fahitalavitra iray ny 11 jona teo mikasika azy ny Professeur Titulaire ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana Mamiharijaona Ramaroson
omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera. Ity farany izay nahavita namorona vatoaratra na “batterie” mandeha amin’ny ranomasina, mamokatra jiro. Ny zavatra rehetra natao tamin’io dia fikarohana natao tamin’ny laboratoara ary ny tenanay ihany no niantoka ny zava-drehetra nanaovana izany fikarohana izany, hoy izy. Nisy anefa ny filazan’ny minisitra hoe efa niresaka tamin’io olona io izahay, ka tsara ny mampahafantatra aminareo fa tsy mbola nisy firesahana na indray mandeha aza nataon’io minisitra io tamiko, hoy ity mpampianatra mpikaroka ity. Nilaza izy hoe nandalo taty ka mandositra azy aho. Niverina fanindroany izy tamin’ny nanaovan’ny TGV fety tany Ramena izy…. Nisy ny fampivoriana mpampianatra mpikaroka, saingy tsy tany ity profesora ity noho ny tsy fahalalany hoe: inona? Aiza? Ny ampitso vao nilazan’ireo avy amin’ny oniversite niatrika izany fa ny tenany no tena notadiavin’ilay minisitra mikasika zavatra nataony. Izaho tsy nahalala an’izany, fa raha mitady ahy izy maninona raha nantsoina? Tsy mbola nisy mihitsy ny fihaonako tamin’ireo olona ireo, ary ny filazana hoe: manala baraka, ny zavatra fantatro, efa nanomboka tamin’ny andron’ny Praiminisitra Omer Beriziky no nanomboka nahitako an’io tamin’ny Laboratoara, ary ny minisitry ny angovo Nestor Razafindroriaka izay lasa Tale Jeneralin’ny Jirama nahita an’io tao amin’ny laboratoara, fa tsy nisy na dia kely fiantraikany tamin-dry zareo izany. Ny filazana hoe: nandositra azy aho, dia azafady Atoa Minisitra fa inona moa no andosiraka anao, tsy liona ianao ka atahorako, fa ianareo mihitsy no milaza vandy fa efa nihaona tamiko in’efatra, ka mbola tsy niresaka taminao aho na indray mandeha aza. Izay no itenenako amin’ny olona hoe: izao ny zava-misy. Efa nahazoako “brevet international” io zavatra io, ary noho izany no anaovako fandisoana hoe: tsy marina ny zavatra nolazain’ny Minisitry Andry Ramaroson, hoy i Pr Mamiharijaona Ramaroson.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.