Taorian’ny resaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny filohan’ny FAT tamin’ny haino aman-jerim-panjakana dia manao ranolava ireo fanehoan-kevitra maro samihafa, avy amin’ny mpanao politika.
Ho an’ny ankolafy Ratsiraka, araka ny nambaran’ny Pr Ange Andrianarisoa dia tsy hitan’izy ireo mihitsy ny mbola hanakanana ny fiverenan’ny amiraly eto an-tanindrazana na hitsivalanana amin’ny fanentanana ny mpikambana ao amin’ny Arema sy ireo miara-dia aminy hanentana ny olona sy haneho hevitra. Amin’izy ireo dia tsy mbola niova ny hevitra amin’ny famahana ny krizy, dia ny firosoana amin’ny firesahana sy fifampidinihana aloha, avy eo ny fampihavanana, izay vao miroso amin’ny fikarakarana miaraka ny fifidianana. Nanamafy ny Pr Ange Andrianarisoa fa tsy matahotra fifidianana izany mihitsy ry zareo. Antoko manana ny maha izy azy ny Arema, araka ny filazany, ary efa tena manana traikefa amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ary afaka manolotra kandida amin’ny fifidianana rehetra. Fa tafiditra ao anatin’ny dingana tsy maintsy arahana amin’ny fametrahana ny fitoniana ihany koa, araka ny nambaran’ity mpitarika ny delegasionin’ny ankolafy Ratsiraka ity, ny famantarana ny tena marina momba ny fitifiran’olona teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009. Hatrany am-boalohany izahay no efa nitaky ny hanaovana fanadihadiana iraisam-pirenena momba ny raharaha 7 febroary, hoy ny Pr Ange Andrianarisoa mba hahafantarana ireo tompon’andraikitra tamin’iny fitifiran’olona iny, amin’izay mivoaka ny marina dia mazava ny resaka.
Sary : Pr Ange Andrianarisoa, lehiben’ny delegasiona ankolafy Ratsiraka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.