Actualités

Potika ny ala atsinanana Hanampy amin’ny fiarovana azy ny Unesco


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Nosokajian’ny Unesco ho anisan’ny vakoka iraisam-pirenena ireo valanjavaboahary 6 ao anatin’ny ala mando any amin’ny ilany avaratra atsinanan’ny Nosy tamin’ny taona 2007.

 Ny taona 2010 teo anefa dia nampidirin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity ao anatin’ny lisitry ny ala ahiana mafy izy ireo vokatry ny fandripahana sy fitrandrahana ny bolabola na “bois de rose” izay nanjaka tao amin’ny valanjavaboaharin’i Masoala sy Marojejy. Namolavola paikady hamerenana amin’ny laoniny ireo valanjavaboahary ireo ny ministeran’ny tontolo iainana nampian’ireo mpiara-miombon’antoka ary ny komity misahana ny vakoka iraisam-pirenena eo anivon’ny Unesco.

Natomboka tamin’ny fiandohan’ny taona koa ny fampiharana azy. Anisan’ny asa notontosaina ny fampijanonana ny fanapahana an-tsokosoko ny bolabola, ny fanaraha-maso sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo ala sy faritra potika ary koa ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina manodidina ireo valanjavaboahary roa ireo. Hita ho tsy mahomby ny ezaka natao hatreto matoa mbola mitohy hatrany ny aferana “bois de rose”. Nanatanteraka sidina tamin’ny fiaramanidina nanara-maso ny fizotra sy ny vokatry ny asa natao ny Unesco ny volana mey sy jona 2011 lasa teo ka tapa-kevitra ny hirotsaka an-tsehatra bebe kokoa, izany hoe hanamafy ny fanohanany nandritra ny fivoriany ny 19 ka katramin’ny 29 jona lasa teo tao Parisy. Hisy manampahaizana iraisam-pirenena halefan’ny Unesco koa hamita iraka eto amin’ny volana ambony hamantatra ny lesoka. Hiara-kiasa amin’ny komity mpanatanteraka iraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa koa ireo vahiny ireo amin’ny famoahana ny paikady farany voahitsy. Raha mizotra araka ny tanjona ny asan’ny komity dia hiverina ho vakoka iraisam-pirenena ireo valanjavaboahary 6 amin’ny taona 2012.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT