Actualités

Posy sy sarety miditra ao Analakely Nanaovana fanentanana ialana amin’ny fitohanana


  • Talata 01 Desambra 2020

Ho famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ao Analakely sy ny manodidina dia

 

 

nanao bemidina teny an-toerana ny teo anivon’ny kaomisarian’ny polisy ao amin’ny Boriborintany voalohany Analakely nanoro sy nanome fampitandremana ireo sarety sy posy miditra ao Analakely amin’ny fotoana mahabe ny fiara mifamoivohy sy ny olona. Anisan’ireny ny fotoana fidiran’ny mpiasa sy ny firavan’ny mpiasa. Mbola tsy nisy aloha ny fanasaziana omaly. Na izany aza hiroso amin’izany kosa izy ireo raha mbola misy ireo minia mandika lalana. Marihana fa raha Analakely sy ny manodidina no mikatso ny fifamoivoizana dia mitarika ny fitohanana any amin’ny ny faritra hafa ihany koa ka izany, antony lehibe nandraisana izao fepetra izao sy ho fampiharana ny lalana efa misy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT