Actualités

Port Toamasina Tsy mandalo “scanner” ny entana alefa lamasinina ?


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Raha ny naoty navoakan’ny Tale jeneralin’ny fadintseranana ny taona 2011, noho ireo resabe nandeha amin’ny fanondranana bolabola an-tsokosoko teo anivon’ny seranantsambo, dia nilaza mazava fa “ny entana rehetra na naondrana na nohafarana, dia tsy maintsy mandalo fitiliana amin’ny Scanner avokoa”, ireo mampiahiahy amin’izay dia tsy maintsy mandalo ny fisavana mivantana ataon’ny inspekteran’ny ladoany Malagasy vao afaka mivoaka na afaka miondrana.

 Raha ny vaovao nangonina teo anivon’ny mpiasan’ny ladoany Malagasy ao Toamasina anefa, dia nambaran’izy ireo fa “ireo entana mandeha kamiao ihany no mandalo fitilian’ny scanner, fa ireo entana alefa lamasinina na nohafarana ireo na haondrana, dia tsy mandalo io fitaovam-pitiliana io fa avy hatrany dia miditra ny tokotaniben’ny MICTSL na mivoaka ny seranantsambo tsotra izao”. Midika izany, hoy ireto mpiasan’ny ladoany ao Toamasina ireto fa “misy lalana natokana ho an’ny hafa eto. Tsy mahagaga raha misy hatrany ny bolabola voaondrana an-tsokosoko, tahaka ilay kaontenera 06 tamin’ny 08 naondrana tsy fanta-piaviana nefa nolazaina fa nivoaka teto amin’ny seranantsambon’i Toamasina, naverin’ireo mpiasan’ny ladoany tany Singapour anefa ny entana tsy mazava”.

Vokany, ny mpiasan’ny ladoany hatrany no mahazo ny tsiny, satria ny dikan’ny “plomb” apetraka dia “ladoany” izay, ka mahatonga ny ladoany Malagasy “hikohizan’izao tontolo izao fa mpanao kolikoly” ka tsy mampatoky azy ireo intsony raha tsy ireo “mpibizina”. Izay koa no mahatonga ny fifampitoriana eo amin’ny CCIT sy ny MICTSL sy ireo olona 23 voarohirohy ka vavolombelona amin’izany ny mpiasan’ny ladoany satria be loatra ny entana manjavona sy miova ao anatiny ary kaontenera miova “plomb”. Raha ny vaovao nangonina dia tokony ho omaly talata no niakatra fampanoavana ny raharaha, nefa tsy mbola niditra teny ihany ilay antontan-taratasin’ady, ka ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT