“Tsy andeferako sy henjehiko hatramin’ny farany, ny fangalarana entana eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina”.
Fanamby nataon’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina izany. Raha ny zava-misy ankehitriny tokoa dia miha maro ny entana anaty kaontenera very sy manjavona am-pitoerana eo anivon’ny faritra fanobiana kaontenera eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina, na Santatra-MICTSL. Mampiaka-peo noho izany i Mandraina Félix, filohan’ny “comité ad’hoc” ao amin’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT). Ny talata 10 aprily teo tokony ho tamin’ny 03 ora mantsy dia nisy kaontenera lava (40’) laharana MAEU 810901/6 sy “plomb” “Maersk EMPMG 3000803” navoaka tao amin’ny Santatra-MICTSL ary naterina tao amin’ny magazain’ny CCIT. Kapa no tao anatiny araka ny voarakitry ny taratasy fanafarana ny entana. Tamin’ny 04ora raha nosokafana, teo imason’ny vaditany Me Hambinintsoa, ilay kaontenera dia foana tsy misy entana ny tao anatiny.
Raha ny fanazavan’ireo mpiasan’ny ladoany, izay nohamafisin’ny talen’ny CCIT, dia “tsy misy izany kaontenera nohafarana izany ka hitondra “plomb” Malagasy (EMPMG), midika izany fa nesorina ny “plomb” nanafarana ny entana ary nosoloina”. Raha tombanana dia mahatratra 50 tapitrisa ariary ny sandan’ity entana nanjavona ity ary 180 andro nitoerana teo anivon’ny MICTSL ilay kaontenera. Midika izany, hoy i Mandraina Félix fa “very vola be ny fanjakana Malagasy sy ny Antenimieran’ny varotra Toamasina, satria ny 33% amin’ny lavanty no fidiram-bolanay, 20% an’ny ladoany, ary tsara marihina fa mandany adiny telo raha kaontenera fohy ary mihoatra ny adiny dimy raha lava, ny famoahana ny entana ao anatiny ho an’ireo dockers matihanina fampiasanay”. Tamin’ny 25 martsa teo dia nisy “fripperie” tao anaty kaontenera lava, mitentina 60 tapitrisa Ariary eo, very teo anivon’ny Santatra-MICTSL. Efa maro koa ny very ny taona 2011, toy “goudron” tao anaty kaontenera fohy niisa 08 ny desambra 2011 mitentina eo amin’ny 3 miliara Ariary, ny kaontenera fohy iray nisy menaka fihinanana anaty “bidons” mitentina 160 tapitrisa Ariary eo, ny kaontenera lava iray nisy “amplificateurs” mitentina 200 tapitrisa Ariary teo ary kaontenera fohy nisy “briquets”. Ny hifandraisan’ireo rehetra ireo dia ny tsy fitovian’ny “plomb” nanafarana ny entana sy ny nipetraka teo amin’ny kaontenera, izay “plomb Maersk...EMPMG” avokoa, nandritra ny fanokafana azy teo anoloan’ny vadintany hatrany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.