Actualités

Port Ehoala Tadiavin’ny sasany hatao fanondranana “bois de rose”


  • Alarobia 20 Jolay 2011


 Taorian’ny nahatrarana andramena tany Kaomoro sy Maorisy farany teo, niainga avy amin’iny faritra SAVA sy Analanjirofo ary Atsinanana iny dia ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Tolagnaro indray amin’izao fotoana izao no tadiavin’ny sasany hanaovana asa maloto. Araka ny fantatra dia misy andian’olona manomboka mihaodihaody any an-toerana amin’izao fotoana izao mitady fomba hanondranana an-tsokosoko ity harena malagasy ity. Ao amin’ny Port Ehoala no heverin’izy ireo fa lalana lavitry ny mpanara-maso. Marihina fa tsy aferan’olona ambany ity andramena na bois de rose ity fa saika olona ambony anatin’izao fitondrana izao no mpiangaly azy, porofon’izany ny fisian’ilay mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita voatana am-ponja amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia kamiao miaramila mihitsy no mitatitra ny andramena any amin’iny faritra Anôsy iny, saika haondrana tao amin’ny Port Ehoala fa tratra. Tsy henoheno intsony ny raharaha taorian’izay, na fantatra aza fa nisy manamboninahitra miaramila sy fianakaviana mpitondra voarohirohy tao anatin’izany.

 

Natiora Oth

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT