Actualités

Polytech Vontovorona Nosamborina sy nodarohana ny mpianatra


  • Zoma 19 Aogositra 2011

Roa voasambotra ary roa hafa naratra mafy vokatry ny tifitra nanjo azy. Teo amin’ny kibony ny iray tamin’ireo no voatifitra raha araka ny fanazavan’ny mpianatra.

 Nanomboka tamin’ny sivy ora no nifanehatra ny mpitandro filaminan’ny Emmo-Reg sy ny mpianatra ary tsy nifarana izany raha tsy tany amin’ny telo ora tany ho any. Nivoaka ny “campus” ny mpianatra mba haneho ny fitarainany. Saingy tsy tonga teo amin’ny tetezana Vontovorona akory dia efa nobahanan’ny mpitandro ny filaminana ny làlana. Naparitaka tamin’ny baomba mandratsa-dranomaso ireo mpianatra. Saingy rehefa namaly tamin’ny tora-bato ireo dia lasa amin’izay ny tifitifitra tamin’ny basy. Raha ny filazan’ireo mpianatra dia ny ain’izy ireo mihitsy no nofofoina satria nanao tifitra mahitsy ireo mpitandro ny filaminana marobe izay tao anaty 4X4 telo sy kamiao telo ihany koa. Nampiakarina tao anaty fiaran’ny mpitandro ny filaminana ireo roa voasambotra. Raha araka ny fantatra dia navotsotra ireo ny harivan’iny ihany.

Maro tamin’ireo mpianatra no nitaraina noho ny daroka nahazo azy ireo. Na ireo izay nijerijery fotsiny aza mantsy dia voakasin-tànana ihany koa. Raha hiverenana dia ny fangatahana ny hamerenana ny vola 10.000 ariary isaky ny mpianatra, vola nihoatra tamin’ny fisoratana anarana. Eo ihany koa ny fangatahana ny hamoahana ara-potoana ny vatsim-pianarana ka hampiarahana ny fandoavana volana jolay sy aogositra, mitovy amin’izany koa ny fampitaovana na «équipement». Omaly dia nanatona ny tompon’andraikitra etsy amin’ny oniversiten’Ankatso ny mpianatra satria tsy mbola eto an-toerana ny minisitra tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao. Andrasana indray izay mety ho tohin’ity grevy izay mihamafy isan’andro ity.

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT