Actualités

Politika momba ny tontolo iainana Tsy misy vokatra, fiketrehana famatsiam-bola fotsiny…


  • Talata 25 Oktobra 2022

Vonona amin’ny fangatahana amin’ny hanatanterahan’ireo firenen-dehibe tena mpandoto tontolo iainana i Madagasikara amin’ny COP 27 na fivoriam-be andiany faha-27 momba ny fiovaovan’ny toetr’andro hatao an’i Sharm

El Sheikh Egypte ny 6-18 novambra 2022 izao, raha ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Setraniaina Rajafetra Abraham. Notsiahivina ny hoe: fampanantenan’ireo firenena any amin’ny ilabolan-tany avaratra ny hanokana 100 miliara dolara isan-taona hatokana ho an’ireo firenena marefo araka ny nambara tamin’ny COP26 ka isan’ny fitakiana hatao io. Naneho rahateo fa hiady mba hisian’ny rariny ara-tontolo iainana, I Afrika dia tsy tompon’andraikitra amin’ny famoahana entona “gaz à effet de serre” izay tsy misy afatsy 4% kanefa izy no mizaka ny voka-dratsy betsaka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nambara moa fa tombony lehibe ny hanaovana ny COP27 aty Arika, mba hitondrana feo iray. Nohamafisina fa efa manana ny drafitr’asam-pirenena manokana CDN (Contribution déterminée au niveau national). Na izany aza, ny mahagaga amin’ny Mpitondra Malagasy, mahery amin’ny resaka ambony latabatra, be kajikajy, kanefa ny tena zava-misy tsy hita izay tena fandraisana andraikitra. Ankoatran’ny fahamaizana sesilany tsy voafehy, ny tsy fahitana vahaolana amin’ny fandripahana ala amin’ny arina fandrehitra, tsy mitsahatra ny fandripahana harena voajanahary tahaka ny harena an-kibon’ny tany, ny ala izay olon’ny fitondrana mihitsy no manao tantely afa-drakotra. Niainga tany amin’ny tetezamita, ary ny hazo tahaka ny voamboana sy boaderozy Malagasy no isan’ny lohalaharan’ny navoakan'ny IUCN (International Union for Conservation of Nature) fa ahiana sy an-dalana ho lany tamingana. Inona no mba politika iarovana an’ireny? Moa tsy ny olom-panjakana aza no be afera sy tena mamotika? Hitambezo sy hitaky anjara vola momba ny tahiry maitso sy ny maro hafa kanefa ny tontolo iainana ho ripaka hatrany?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT