Maro amin’ny mpitondra fiara sy moto no velon-tariana amin’ny afitsok’ireo mpitandro ny filaminana sasany manara-maso sy mandamina ny fifamoivoizana fa tena tsy manaiky mihitsy izy ireo raha tsy omena vola, araka ny nambaran’ireo mpamily.
Toerana maro eto an-drenivohitra no misy ireo tia vola sy mpanao tsolotra ireto, ary araka ny fitantaran’ireo efa niharan’ny «otra» ihany dia tsy manaiky intsony izy ireo raha tsy 5000 ariary no omena azy, raha 2 na 3 moa izy ireo no miaraka dia tsy maintsy 10 000 na 15 000 ariary izany no omena, izay vao milamina ny resaka ka miverina ny taratasin’ny fiara. Ny tena manahirana amin’ity resaka ity ihany koa, araka ny angom-baovao dia maro be ireo taratasina fiara alain’ireo polisy eny an-dalana ireo no tsy hita any amain’ny biraon’ny polisy akory, ary araka ny fitantaran’ny mpamily iray aza dia vava be no nataon’ny polisy iray taminy raha nangata-panazavana izy. Nilaza io polisy io, fa hoe : « lehilahy ianao raha mahazo ireto papiers ireto any amin’ny Central fa tsy alefako any izany ireto ! » Misy ve izany ny fanaraha-maso ataon’ireo tompon’andraikitra sy lehibe ao amin’ny polisim-pirenena ao amin’ny olony sa dia samy manao izay tiany ireto mpitandro ny filaminana natao handamina sy handrindra ny fifamoivoizana ireto ? Soa fa tsy izy rehetra, fa efa tena leo ny olona amin’ny fanaparam-pahefana sy ny fitiavam-bola diso tafahoatra ataon-dry M’se polisy.
Nisy fotoana tamin’ny naha minisitra an’i Organès Rakotomihantarizaka ny fitsirihana sy fanaraha-maso natao tamin’ireo polisy «mpanotra» ny taxibe, ka nisy mihitsy no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, saingy toa nandalo dia niserana izany fomba fiasa izany, ka mitady hiverina ny gaboraraka. Misy amin’ireto polisy ireto ihany moa no mibaradaka rehefa mamomamo takariva any anaty Bar ka tafaresaka amin’ny olona, dia milaza mihitsy hoe : «efa tena tsy ampy anay ilay karama isam-bolana ka tsy maintsy miketrika, ny fiainana efa sarotra tsinona ary ny sefo rahateo tsy miteny dia milamina ny raharaha». Tsara homarihana fa manao an’io fomba ratsy io ihany koa ny zandary amin’ny lalam-pirenena, indrindra fa ny RN 1 sy ny RN 7 ary ny RN 2 ; ary voalaza fa efa maromaro amin’izy ireo mihitsy no efa lasa mpanefoefo. Tsy ny rehetra kosa anefa no manao izay fa ny ampahany, koa dia manantena ny maro fa mba tena handray ny andraikiny amin’izay ny manampahefana fa tsy hamela ny gaboraraka hanjaka tahaka izao, satria ny olona tokony handamina sy hiaro indray izany no manakorontana sy mambotry vahoaka !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.