Actualités

Polisy nasionaly sy Polisy monisipaly Tsy mifandray tadin-dokanga ?


  • Alarobia 09 Martsa 2011

Samy hita etsy sy eroa ny polisin’ny Kaominina sy ny polisy nasionaly amin’ny andraikitra tananany izay misy hitovizany indraindray.

Matetika aza dia hita mivandravandra fa mifanitsaka andraikitra izy ireo noho ny habetsahana loatra. Araka ny fifandraisana eo anivon’ny roa tonta indray dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao maromaro fa tsy mifankahazo firy izy ireo. Ny lehibeny no tena voatondro mazava fa tsy dia mifandray firy.

«Raha misy asa na fanadihadiana tokony hataon’ny polisy nasionaly ka ny polisy monisipaly no hahazoana ny vaovao dia tsy ho azo velively izany. Torak’izany ihany koa raha misy olona tokony halain’ny polisy nasionaly ka notazonin’iretsy voalohany dia tsy ho azo velively. Miteraka olana eo amin’ny asa izany kanefa atao ahoana moa fa mbola ny lehiben’ny polisy ihany koa no namorona io vondrona io, hany ka tsy afaka ny hanao na inona na inona izahay» raha araka ny loharanom-baovaonay eo anivon’ny polisy nasionaly. Midika izany fa tsy mifandray ny tadin-dokanga ary heverina aza fa mety ho mifampiandriandry fotsiny ireo vondrona roa ireo.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT