Actualités

Polisy mendrika tao Toamasina Notoloran'ny Siteny fondation moto


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Mitohy hatrany ny fanomezana foto-drafitrasa sy fitaovana ho an'ny polisy. Polisy mendrika iray tamin'ny asany indray tamin'ny faran'ny herinandro teo no notoloran'ny Siteny fondation moto vaovao.

 Rakotomalala Soloniriana Johnny no anarany avy ao amin'ny BCP 2 Toamasina. Raha ny fantatra dia tena tena nanao izay nety nanampiana ny mpiara-belona tokoa ity polisy iray ity. Nambaran'Atoa Siteny Randrianasoloniaiko nandritra izany fa efa nanome moto ho an-dRatsikitsiky tahaka izao ihany koa izy tamin'ny 3 taona lasa ho fankasitrahana. Mahafinaritra ny fanomezana fitaovana tahaka izao saingy mbola hangatahina amin'ireo polisy sy zandary hatrany ny hanovany ny toe-tsainy sy ny fomba fiasany hisorohana ny fanamparam-pahefana sy ny fakana vola lava amin'ny fiara fitateram-bahoaka. Mikasika ny fidangan'ny vidim-piainana eto amintsika moa dia nilaza Atoa Siteny fa mila mihetsika ny fanjakana hanalana fahasahiranana ny vahoaka. Tsy tokony hijanona eny ambony latabatra fotsiny izany hoy izy fa arahina fidinana eny anivon'ny Fokontany mihitsy.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ilay moto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT