Actualités

Polisin’ny GIR Eny Tsiafahy izy dimy lahy nitifitra Mpandraharaha teny Ankasina


  • Zoma 27 Jolay 2012

Nalefa eny Tsiafahy omaly alakamisy 26 jolay antoandro ireo polisin’ny GIR dimy lahy, voarohirohy ho nitifitra ka nahafaty mpandraharaha teratany Malagasy teny Ankasina – Antananarivo tamin’ny volana mey 2012.

 Raha niakatra fampanoavana ny raharaha ny talata 24 jolay teo, dia namoaka didy savaranonandro ny fitsarana, ka nametraka azy ireo any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Tsy nanaiky ny handefasana azy ireo any ireo namany, fa dia nandrangaranga basy niditra ny fitsarana avy eo dia nentin’izy ireo tao Tsaralalana ary nambenan’ireo namany tao. Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) eo anatrehan’ny “fiheveran’ny mpitandro ny filaminana sasany fa ambonin’ny lalàna izy ireo noho ny fananany basy”.

Tondroin’ny SMM ho fihokoana io fihetsiky ny GIR io ka dia nanome fe-potoana 24 ora, nanomboka ny alarobia, ny mpitandro ny filaminana ny biraon’ny SMM hanolorany ireo polisy, navotan’ny namany ireo, any amin’ny fonja notondroin’ny didim-pitsarana. Ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, Rakotondratsima Désiré, teo anatrehan’izany dia nilaza mazava fa “tsy miaro n’iza na iza ary misy ny didim-pitsarana tsy maintsy tanterahina”. Nisy ny fifandresen-dahatra anatiny teo amin’ny samy polisy ary dia niaiky ihany ny teo anivon’ny GIR taorian’izany, ka nanolotra ireo namany 5 ary dia nalefa eny Tsiafahy hatry ny omaly antoandro izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT