Actualités

Polisin’ny FIP nisy nidaroka Valifaty sa inona ?


  • Talata 16 Aogositra 2011

“Tsy maintsy mahafaty polisin’ny FIP iray izahay manomboka izao. Nisambotra anay kanefa tsy nampigadra anay izy ireo”.

 Io no teny nataon’ireo jiolahy ampahabe-maso raha tsy nohazonin’ny fitsarana am-ponja, ireo olona 12 voasambotry ny FIP tamin’ny “opération” mena mahazo sy taikely ary mpangarom-paosy tao Ankirihiry sy Bazary Kely ary Ambolomadinika. Ny zoma alina hifoha ny sabotsy maraina, noho ny fanatontosan’ireto jiolahy ireto ny valifatiny raha ny fahafantaran’ny kaomandan’ny FIP, Jules Rafaliarivo azy, dia olon’izy ireo iray hody avy niandry faty sy nanatitra ny namany no voadaroka teo amin’ny lohany tao Manangareza. Niezaka nitondra ny moto scooter nentiny hatreo amin’ny toby Jovenna Manangareza, ary teo vao nitsirara tamin’ny tany. Ireo mpiambina sy ny mpiasa teo amin’ity tobin-tsolika ity no niezaka niantso ny fianakaviany ary nitondra azy teny amin’ny hopitaly be ihany koa. Mbola arahi-maso tao amin’ny fameloman’aina ny hopitaly be ity polisy ny FIP ity ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny kaomandin’ny FIP Toamasina fa hohamafisina ny “opération” hataon’izy ireo.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT