Tsy sasatra ny polisim-pirenena manamafy ny fanentanana amin'ny fanarahana ny fepetra hiadiana amin'ny valanaretina COVID-19,
hoy hatrany ny fanentanan’izy ireo. Ny andron'ny 19 martsa teo fotsiny dia olona miisa 2102 sy taxibe miisa 532 no indray voaentana. Mitohy ny fizarana arovava orona ho an'ny mpandeha an-tongotra ary “visière” ho an'ireo mpamily mpanampy. Ho an'ireo olona tsy laitran'ny balan'ny fananarana kosa dia hihamafy ny sazy aorian'ny fanentanana sesilany ataon'ny polisim-pirenena ka arovy ny tenanao, arovy ihany koa ny hafa, hoy hatrany ny polisim-pirenena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.