Vondrona fikambanana iray milofo fatratra amin’ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny PNFDDSA na ny Plateforme Nationale, Femme, Développement Durable et Sécurité Alimentaire. Herintaona izao no nijoroany, tarihin’ny filohany Noasilalaonomenjanahary Ambinintsoa Lucie. Antom-pijoroan’ny fikambanana ny hahatonga an’i Madagasikara ho sompitry ny vary, tongolo, voamaina, katsaka…aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Tsy tonga ho azy anefa izany fa ilana ny fifanomezan-tanan’ny rehetra, indrindra fa ny vehivavy izay mihoatra ny antsasa-manilan’ny mponina eto Madagasikara. Miantso ny vehivavy rehetra mba hiverina hamboly ny PNFDDSA, araka izany. Fambolena izay sady miantoka ny fahavitantena ara-tsakafo no mampihena ny isan’ireo olona avy any ambanivohitra mamonjy ny renivohitra. Faritra dimy eto Madagasikara moa no efa misy ny PNFDDSA ankehitriny dia Boeny, Atsinanana, Ihorombe, Analamanga ary Vakinankaratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.