Actualités

Pharmalagasy nitory ny « Le Monde Afrique » Aiza ho aiza ilay fitakiana onitra 15 tapitrisa euros ?


  • Zoma 30 Desambra 2022

Isan’ny nanamarika ity taona ity taona 2022 ity ilay vaovao momba ny fitorian’ny orinasa Pharmalagasy ny Gazety vahiny Le Monde Afrique,

araka ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’io orinasa mpamokatra CVO+ io Atoa Holijaona Raboana ny 11 novambra 2022 lasa teo. Nambara mantsy fa noho ny fanaratsiana ny CVO+ ho tsy voaporofo ara-tsiantifika, dia nanafoana ny kaomandiny ny firenena maro, niteraka tsy fisian’ny tsena, tsy nidiran’ny vola, ka nisian’ny olana ara-karama. Talohan’izay mantsy dia tena efa nandeha be ny tsena raha ny fanazavana. Lahatsoratra navoakan’ny Gazety Frantsay Le Monde Afriqua ny 22 jolay 2022 moa io, ka nambara fa rava daholo noho io vaovao io ny fifanarahana sy kaomandy avy any ivelany. Firenena aty Afrika 6 no voalaza fa isan’ny nihemotra! Raha hiverenana anefa, ny 28 septambra 2022 no nanomboka niparitaka tamin’ny fampahalalam-baovao fa 5 volana tsy nandray karama ny mpiasan’ny Pharmalagasy. Vokany, notorian’ny Pharmalagasy ny Le Monde Afrique, ary nitaky onitra 15 tapitrisa euros izy ireo, araka ny fanambarana nataon’Atoa Holijaona Raboana hatrany ny 11 nombra 2022. Raha hiverenana anefa, ny 29 septambra 2022, nisy tompon’andraikitra nilaza fa eo am-pikarohana vahaolana, izany hoe: nanamarina fa tena misy olana ara-bola. Raha manao kajikajy tsotsotra, raha ny volana septambra no efa 5 volana tsy nandray karama, dia efa tany amin’ny volana may no nanomboka tsisy karama sy nisy olana kanefa ilay nolazaina fa nanimba ny “business” anefa dia tamin’ny 22 jolay 2022. Somary hafahafa sy tsy nitombina ilay fanazavana, saingy toa taratry ny fomba fitantanana firenena. Mitady izay hanilihana sy hofatorana eo anatrehan’ny tsy fahombiazana hoe: iza sy aiza indray no hanilihana ny rihitra? Raha miverina kely amin’iny satria mifarana ny taona 2022 dia mipetraka ny fanotaniana hoe: aiza ho aiza ary izao ny tohin’ilay fitoriana sy ny fitakiana onitra 15 tapitrisa euros? Tena zavatra nitombina sa dia fanadalana saim-bahoaka tsotr’izao?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT