Pety Rakotoniaina

> “Saribakolin’ny mpanjanaka ny CENI-T sy ny CES”


  • Alarobia 28 Aogositra 2013

Tetika maizina hamerenana ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao ny fifidianana kasaina hotontosaina araka ny hevitr’i Pety Rakotoniaina. Tsy vahaolana amin’izao krizy izao ny fifidianana filoham-pirenena heverina hamaranana ny tetezamita, hoy izy.

“Tsy nankatoavin-dry zareo ny lalàmpanorenana lany tamin’ny 2010, terena haroso indray izao ny fifidianana filoham-pirenena nefa tsy misy akory lalàna fototra mifehy ny tany sy ny fanjakana eken’ny besinimaro, izany hoe ny sarety indray no alefa alohan’ny omby”. Resaka tombontsoa avokoa no antony isisihan’ny vahiny amin’ny fifidianana filoham-pirenana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny antoko Tambatra. Notononiny manokana ny Frantsay satria manamora ny fanjakazakany amin’ny harem-pirenena ny fifehezana olon-tokana (filoham-pirenena) toa izay ny miara-miasa amina olona maro raha fitondrana parlemantera no mijoro eto. Izay indrindra no ilana lalàmpanorenana mamaritra ny endri-pitondrana hifehy ny tany sy ny fanjakana, araka izay safidin’ny maro an’isa, hoy i Pety Rakotoniaina.

Raha ny sosokeviny dia efa atao mazava ao anatin’izany lalàna fototra izany ireo fepetra mifehy ny fitrandrahana ny harenantsika mba ho arofanina amin’ny kabary tsara lahatra hataon’ny kandida sy taotaofoana hataon’ny mpitondra izay ho lany eo. Ankoatra izay dia nanambara koa ny PDS-n’i Fianarantsoa fa mangetaheta ny fanapariaham-pahefana tena izy ny vahoaka nefa io indrindra no tena ezahan’ny firenen-dehibe halavirina satria sakana amin’ny ampihimamba ataony. Nilaza koa ingahy Pety fa mpifidy maro monina amin’ireo faritra saro-dalana no verezin-jo rehefa tsy afaka hifidy noho ny fifidianana milatsaka anaty fahavaratra. Notondroiny ho mpiray tsikombakomba sady saribakolin’ny fikambanana iraisam-pirenena amin’izany teti-dratsy izany ny CENI-T, ny CES miampy ny SADC sy Vondrona Afrikanina. “Raha tena tompon’andraikitra ny CENI-T sy ny CES ka tsy baikon’ny vahiny dia tsy tokony hanaiky lembenana hanilika kandida satria fepetra ahiana hiteraka korontana izany. Ny Malagasy ihany no tokony handamina ny olany fa tsy ireo fianakaviambe iraisam-pirenena ireo”, hoy izy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT