Pety Rakotoniaina

> Manahy ady an-trano


  • Zoma 18 Oktobra 2013

Tsy mitsahatra mampahafantatra ny olom-pirenena ny tsy mampety ny fanatontosana fifidianana amin’izao fotoana izao i Pety Rakotoniaina. Nahatety ny renivohi-paritany 6 mihitsy ny tenany sy ireo mitovy hevitra aminy.

Araka ny nambarany dia efa tafajoro manerana ny Nosy ny vovonana “Alliance pour la paix et la réfondation de la Nation» izay mikatsaka ny hisian’ny fitoniana sy ny fanarenam-pirenena. “Vita aloha ny fampihavanam-pirenena sy manana lalàmpanorenana eken’ny rehetra isika vao tokony hirosoana ny fifidianana”, hoy izy. Mpikatroka avy amin’ity vovonana ity miisa 250 no manatanteraka fivoriambe eto an-drenivohitra mandritra ny 3 andro nanomboka omaly. Amin’ny alahady izao no hamoaka ny fehin-kevitra momba io fifidianana io sy ny raharaham-pirenena izy ireo. Azo antoka fa hanamafy ny hevitra novoizin’ny filohan’ny Tambatra ka nitetezany an’i Madagasikara izany. Omaly rahateo dia mbola nanindry indray i Pety Rakotoniaina fa manaiky ny fitohizan’ny fanjakazakan’ny olom-bitsy ny harem-pirenena, ny fanapotehana ny tolom-bahoaka nifandimby, miray tsikombakomba amin’ireo bolokim-bazaha izay mifidy amin’io 25 oktobra io. Nambarany koa fa fanomezan-danja ny rafitra mampisy mizana tsindrin’ila amin’ny samy Malagasy, ny fangoronan’ny mpitondra ny tanin’olona ary mamela malalaka ny hisian’ny adin’ny samy Malagasy io fifidianana io. Henjana dia henjana moa ny teny namaranany azy izay nilazany fa mandavaka hilevenany sy ny taranany izay mifidy eo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT