Actualités

Peace Corps 60 taona Tanora Amerikanina 250 000 no niasa tamina firenena 140


  • Zoma 12 Martsa 2021

Feno 60 taona ny corps de la paix (Peace Corps) hivondronan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo teratany vahiny.

 

 

 Hatramin'ny taona 1961, dia tanora Amerikana mpilatsaka an-tsitrapo miisa 250.000 no nalefa hiasa tany amin'ny firenena 140 mahery ary manao asa an-tsitrapo ho an'ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny firahalahiana amin'ireo firenena andalam-pandrosoana maneran-tany. Ho an’i Madagasikara manokana dia ny sehatry ny fambolena sy fanabeazana ary fahasalamana no tena hiasan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps Madagascar. Mampianatra fambolena sakafo feno otrikaina izy ireo; mampianatra teny Anglisy any amin'ny sekoly ambaratonga faharoa sy ny lisea ary oniversite vitsivitsy. Manampy ireo mpitsabo miasa eny amin'ny tobim-pahasalamana amin'ny fandraisana an-tànana ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza ihany ko aizy ireny ankoatra ny fanampiana amin'ny ady amin'ny tazomoka sy ireo aretina hafa.Na dia nampiato ny asany aza ny Peace Corps ary nampody ireo mpilatsaka an-tsitrapo tamin'ny volana martsa 2020 noho ny valan’aretina Covid 19, dia heverina fa hiverina hiasa izy ireo amin'ny tapak'ity taona 2021 ity na amin'ny faramparan'ny taona any ho any.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT