PDGI sy ny Fiarahamonim-pirenena

> Miara-dalana hametraka ny mangarahara


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Natomboka ny zoma ny fampiasana ny vola hoentin’ireo fiarahamonim-pirenena sy ny mpiserasera malagasy, amin’ny fametrahana ny “mangarahara” sy ny “tamberin’andraikitry ny vahoaka” eo anivon’ny Faritra Atsinanana, anisan’ireo Faritra efatra miaraka amin’i DIANA, Vakinankaratra ary Analamanga iasan’ny PDGI 2 na “Projet de Gouvernance et de Développement Institutionnel”.

Manomboka izao izany dia misy vola mahatratra 1.000 dolara ho an’ny fiarahamonim-pirenena nanao fangatahana hiasa isam-paritra ary 10.000 dolara izany ho an’ny nasionaly, izay hifarana ny volana aogositra 2014. Misy ny fanofanana maharitra roa andro hifarana anio, hampahalalana ny fiaramonim-pirenena ny andraikiny sy ny zavatra hataony ary ny asa andrasana amin’izy ireo mandritra ny fotoana hanatontosana ny asa ho fametrahana ny firenena tan-dalàna sy tsara tantana ary ao anatin’ny demokrasia amin’ny fandraisan’ny vahoaka andraikitra marina amin’ny fampandrosoana ny fireneny. Miisa 80 eo ny famatsiam-bola ka afaka misafidy amin’ny sehetra efatra ny fiaramonim-pirenena sy ny mpiserasera malagasy dia ny fampianarana, ny resaka fitrandrahana ny harena ambanin’ny tany, ny fahasalamana ary ny tontolo iainana. Efa mijoro sy am-perinasa koa ny COPILO na “Comité de pilotage” Faritra Atsinanana hanara-maso ny asan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny asa ataony sy ny fampiasana ny vola azony.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT