Tsy marina velively ny filazana fa niravona tanteraka ny olana eo anivon’ny tsenan’ny pavillon Analakely. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy manaiky ilay SMGD izay sampandraharaha iray napetraky ny kaominina Antananarivo
renivohitra handoavana ny hofantsenan’izy ireo ny 85%-n’ireo mpivarotra. Tsy eken’izy ireo intsony ihany koa ny hanohizan’ny biraon’ny FI.MPA.VA.MI voafidy na ny Fikambanan’ny mpivarotra Pavillon Analakely Mijoro ny asany noho ny fivadiham-pitokisana nataon’izy ireo. Raha 16 mantsy ireo mpikambana ao amin’ny birao nifanarahana dia tsy misy afa-tsy 4 sisa no hita ankehitriny. Tsy nakana ny hevitr’ireo mpivarotra ihany koa ny naneken’ny mpitantana ny biraon’ny FI.MPA.VA.MI fa tsy lehiben’ny tsena ilay fifanarahana maharitra 3 taona azo havaozina niarahany tamin’ny kaominina izay tsipihin’ireo mpivarotra mazava tsara fa mandika ny fitsipiky ny fikambanana no sady tsy mikatsaka ny mahasoa ireo mpivarotra 840 isa mpikambana. Efa mandeha araka izany ny fanangonan-tsonia handravana ny birao ka ny 85%-n’ireo mpivarotra no efa Nanaiky izany raha toraka izay ihany koa ny tsy fanekena ny SMGD. Hisy moa anio Alarobia ny fivoriana hotanterahin’izy ireo entina hamoahana fehin-kevitra hanohizana ny tolona sy handravana ny birao mitantana ny FIMPAVAMI izay ambaran'ireo mpivarotra ao amin'ny pavillon Analakely fa nivadi-pitokisana tamin'izy ireo ary hirosoana avy eo ny hametrahana birao vaovao hitantana ity fikambanana ity.
Pati
Legende: Efa mandeha ny fanangonan-tsonia eto amin’ny pavillon Analakely amin’izao
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.