Actualités

Pavillon Analakely « Foana ny biraon'ny FIMPIVAMI… »


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Nivory tetsy amin’ny hotely Rainilovy Analakely omaly ireo mpivarotra etsy amin’ny pavillon Analakely. Ny 95%-n’izy ireo no tonga nanotrona izany fivoriana izany izay marihina fa tsy hanaiky ny SMGD hatramin’ny farany.

Nivoaka nandritra ny fehin-kevitra tapak’izy ireo ary fa foana nanomboka omaly ny biraon’ny fikambanan’ny mpivarotra pavillon Analakely Mijoro na ny FIMPIVAMI. Hiroso amin’ny fifidianana izay ho birao vaovao araka izany ireo mpikambana amin’ny 18 Novambra ho avy izao. Mangataka ny famerenana ny biraon’ny tsena na ny controleur de marche noravana vao roa volana lasa ihany koa izy ireo hahafahany mandoa ny hofan-tsenany isam-bolana. Tsy mila mpanelanelana toy ny SMGD izahay hoy izy ireo fa aleo ny biraon’ny tsena ihany no handray izany hofan-tsena izany hivantanany avy hatrany any amin’ny kitapom-bolam-panjakana any amin’ny tresor. Na ireo mpivarotra sasany efa nahazo ilay kara-tsena vaovao avy tamin'ny kaominina sy SMGD aza moa dia maro no tonga namonjy ity fivoriana tsy ara-potoana notanterahin'ireo mpivarotra eny amin'ny pavillon omaly ity. Izy ireo izay nanambara tamin'ny mpanao gazety fa tratry ny tery vay manta sy fandrahonana amin'ny hanakatonana ny tsenan'izy ireo ka tsy maintsy nanaiky mora foana izay nambara tamin'izy ireo momba ilay karatra vaovao sy ny hoe : fandoavana ny hofan-tsena any amin'ny SMGD. Taorian'ny fivoriana niaraka tamin'ny besimimaro anefa dia resy lahatra izy ireo fa tokony hiverenana ny fomba fandoavana hofan-tsena toy ny teo aloha any amin'ny biraon'ny Tsena.
Pati
Legende : Nandritra ny fivoriana notanterahin’izy ireo omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT