Rehefa mpangalatra akoho dia malaky aseho ny sary, na takonana aza ny masony, fa rehefa
mpanondrana volamena, mpanondrana sokatra, mpividy taolam-paty, mpampanofa basy kalaky, dia lasa tsy fantatra tampoka teo na ny anarany aza, nefa dia olona miondrana amin'ny fiaramanidina be izao, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Patrick Raharimanana. Hay moa efa nisokatra ny sisintany mandeha any Afrika atsimo? Dia lazaina fa tambazotra enjana be ilay ao ambadika, ka maninona no tsy gadraina daholo ny nanome alalana izany fiaramanidina hivoaka eto an-toerana izany, ireo ao amin’ny fadin-tseranana sy zandary ary polisy misahana ny sisintany? Miandry anarana izahay. Efa eto ihany, mba tenenonareo ao amin'ny prezidansy ireny olona milaza fa avy amin'ny prezidansy dia tsy savaina eny Ivato ireny! Toa misy mpitandro filaminana manaraka manao “escorte” na tan-tsoroka akaiky mihitsy aza milanja sakaosy mavesatra mandeha fiaramanidina manokana, mety mpisoloky izy ireny fa mailo ianareo ao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.