Actualités

“Patente” tsy voaloa Bajaj 30 nampidirina fourričre any Mahajanga


  • Zoma 17 Jona 2016

Tapitra ny 17 mey teo ny famindram-po farany nataon’ny kaominina ho an’ireo bajaj izay tsy nahaloa ny “patente” ao Mahajanga I. Mbola maro anefa izy ireo no tsy nandoa.

Raikitra ny “opération” fisavana omaly ka 30 no naiditra “fourière” teny amin’ny voirie avy hatrany. Teo vao samy nikoropaka izy ireo nanatona ny kaominina handoa io vola io. Tsy afaka mivoaka ireo bajaj ireo raha tsy azo avokoa ny taratasy rehetra mikasika ny fandoavana ny “patente”, hoy ny talen’ny fitaterana Nourdine eo anivon’ny kaominina Mahajanga.  Miteraka resabe ao Mahajanga ity fandoavana ny “patente” ity satria dia misy ny mikopak’afo ka mampirisika ny tsy handoavan’ireo tompony bajaj io vola io ka hirosoana amin’ny fitokonana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT