Manana ny heviny momba ireo fitakiana sendikaly sy ny fahasahiranana mianjady amin’ny fiarahamonina ankehitriny, noho ny krizy ny pastera Roger Randriamorasata avy amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.
Nambarany ary fa tsy tokony hanaitra na hahagaga izy ireny satria taratry ny fahasahiranan’ny olona. Aminy dia efa fanombohan’ny fampihavanana ihany koa ny fampivondronana ny hery amin’ny filazana ny marina sy ny fanambarana ny tsy rariny.
Miady ny olona
Nambaran’ity mpitandrina ity fa tsy azo takonana intsony, ankehitriny ny korontana be eto amin’ny firenena, hita izany any anaty fiarahamonina sy any amin’ireo sehatr’asa maro isan-karazany. Mametra-panontaniana moa ny pastera Roger Randriamorasata hoe : mbola misy mpitondra ihany ve eto ? Nanohy ny fanazavany izy ka nilaza fa tsy afa-po ami’ny ataon’ny mpiasam-panjakana ny vahoaka, tsy araka ny tokony ho izy ny zava-misy any amin’ireo biraom-panjakana maro samihafa, mimenomenona ny olona izay mikarakara taratasy. Etsy ankilan’izay dia tsy afa-po amin’ny ataon’ny fitondram-panjakana ihany koa ny mpiasam-panjakana. Mahatsiaro izy ireo fa misy ny mizana tsindrian’ila sy ny fanavakavahana.
Misy ihany koa ny tsy rariny, ary be loatra ny teny midina sy ny fidiran’ny resaka politika amin’ny asam-panjakana. Tsotra ny fahitanay mpitondra fivavahana ny zava-misy eto, hoy izy, rehefa tsy misy ny fahamarinana dia mitranga ny savorovoro avy eo miady ny olona. Aleo tsorina ny resaka, hoy ny pastera Roger Randriamorasata fa tena miady ny olona eto Madagasikara satria lasa misy fianakaviana tsy mifankahazo noho ny firehana politika tsy mitovy, na foto-kevitra ijoroana mifanipaka. Ao ny ray aman-dreny mety tsy mifampiteny amin’ny zanaka na ny samy ao anaty fianakaviana tsy mifankahazo.
Ohatra iray azo amintinana izany ny hoe : mety nisy dadatoa polisy tao amin’ny fianakaviana iray, nisambotra ny zanak’anabaviny, avy eo ny nenitoa hafa mpitsara indray no nampidoboka an’iny tany am-ponja ; mety ho misy ifandraisany amin’ny resaka politika koa anefa ilay raharaha. Ny mpiray vodirindrina mifangarika sy mety miady mifanao totohondry mihitsy. Izany rehetra izany no aretina mikiky ny firenena, araka ny nambarany ka izay no tokony hijoroana, hanambarana ny tena marina sy hanoherana ny tsy rariny. Tsy maintsy dinihana sy jerena ny tombontsoa iombonana, ny tombontsoan’ny vahoaka, hoy ny pastera Roger Randriamorasata, fa tsy atao resabe isintonana ny sain’ny olona fotsiny ny fomba fitenin’ny mpanao politika amin’ilay hoe : ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena.
Jesoa Kristy no vahaolana
Momba ilay klioba satanika kosa dia nambaran’ity mpitandrina Fjkm ity, fa efa fahita any amina firenena maro maneran-tany izy io; saingy ny endriny fotsiny no mety samy hafa. Tena misy izy io fa tsy angano na tantara, araka ny nambarany, misy mihitsy ireo hoe fiangonan’i satana. Mila dinihana tsara koa anefa hoy ihany izy, fa sao dia misy ambadika hafa na hetsika natao hanakorontanana sy hampisavorovoroana ny sain’ny olona, amin’ny vanim-potoana handalovan’ny firenena tahaka izao, izy io.
Nilaza moa izy fa tsy tokony hosarihana hiditra any amin’ny tokotanin’ny devoly ny olona fa tena hanalavitra azy. Ho an’ny fiangoanana dia tsotra ny vahaolana, hoy ny pastera Roger Randriamorasata : ny finoana sy fandraisana ao am-po an’i Jesoa Kristy irery ihany no hahafahana manohitra ny asan’ny maizina. Efa voasoratra, hoy izy fa Jesoa Kristy irery ihany no mahefa an’io. Naveriny indray fa tsy hoe rehefa mitondra na mivimbina lakroa ny olona iray dia haharesy an’i satana. Resaka finoana sy fivavahana ihany no vahaolana amin’io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.