Actualités

Pastera Mailhol sy ny GFFM Miombon’alahelo amin’ny fianakavian’ny filoha Ratsiraka


  • Talata 30 Martsa 2021

Miara-miombon’alahelo amin’ny fianakavian’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny Pastera Mailhol

 

 

 sy ny antoko politika Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara izay tarihiny taorian’ny nahalasanan’itsy voalohany. Anisan’ny olona nahavitabe teto amin’ny firenena mantsy ity filoha teo aloha ity raha araka ny fanazavany ka mendrika sy rariny loatra raha hiombom-po hanome voninahitra farany azy ny Malagasy. Tena nety tamin’ny pastera Mailhol ihany koa ny nandevenana ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka teny amin’ny fasan’ny mahery fo eny Mausolée sy ny nanaovana ho andro fisaonam-pirenena ny andro omaly. Vao namoy ny ainy mihitsy mantsy ity farany dia efa nanolo-kevitra ny amin’izany izy noho ity filoha teo aloha ity izay voasokajy ho ao anatin’ny olo-mangam-pirenena. Notsiahiviny hatrany moa fa tamin’ny volana novambra taona 2019 no efa nahazoany ireny faminaniana mikasika ny fisian’ny fahafatesana olo-malaza maneran-tany ireny ka anisan’ireny Ta teense sy ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka. Mikasika ny valan’aretina Covid 19 manokana dia nanolo-kevitra ny amin’ny tokony hanaovan’ny fanjakana fihibohana tanteraka ny tenany ary horaisin’ny fanjakana an-tanana kosa ny famatsiana sakafo isan-tokantrano.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT