Actualités

Pastera Mailhol Nihoa-pefy ny mpiambina azy, nodoran’ny olona ny fiarany


  • Alatsinainy 18 Martsa 2013

Nisahotaka ny teny Ambohipo ny sabotsy 16 martsa, hariva teo. Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana, anton’izany ny fitangoronan’ny olona teo amina fiara 4x4 iray. An-dalana hamonjy fodiana eny Ambohipo ny pastera Mailhol tamin’io no voalaza fa nisy olona nanompa azy tao anaty haizina tao.

 Nivoaka avy hatrany tao anatin’ilay fiara 4x4 “double cabine” marika JAK, miloko mainty, nifanao aloha sy aoriana tamin’ilay fiara nentin’ny pastera Mailhol ireo sivily mpiambina azy manokana. Tsy nisy alaharo fa nivatravatra fiavy sy nisambotra avy hatrany ireto farany. Reseverana taksibe 129 ny iray, ary lehilahy tonga hijery ity farany izay naratra ka lavo no indray voafaoka, nakarina tao anatin’ilay 4x4 ary naterin’ireo mpiambina ireo teny amin’ny Kaomisaria Boriborintany faharoa avy eo nafindra tany amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalana. Ny Pastera amin’io afaka namonjy ny toeram-ponenany.

Io fihetsik’ireo sivily mpiambina manokana an’ny Pastera Mailhol io no nahatezitra ny teny Ambohipo ka nitarika sahotaka, nitohy tamin’ny tora-bato ary niafara tamin’ny fandoran’ny olona ilay fiara 4x4 raha niverina avy nanatitra ireo olona nosamborin’ireo mpiambina tany amin’ny Polisy. Nihoa-pefy ireto mpiambina ireto. Tsy manana zo hisambotra olona izy ireo fa ny olona arovany no tokony ho nataony tsara ambina. Niaiky izay fihoaram-pefin’ireto olony ireo rahateo ny pastera Mailhol omaly antoandro. Nitondra teny fialan-tsiny amin’ny mponin’Ambohipo noho izay sehon-javatra izay ny tenany raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Motel Anosy, nanazava ny zava-nitranga. Niaraka taminy tamin’io omaly io, ireo roalahy nosamborin’ireo mpiambina azy ka voatazona tany amin’ny Kaomisaria foibe Tsaralalana. Nanao fanelanelanana mba hamoahana azy ireo tany ny pastera Mailhol, araka ny fampanantenany tamin’ireo vahoaka efa romotra teny Ambohipo, mba hampitoniana ireto farany. Natao raharaham-pihavanana ny raharaha. Milaza ny tsy hitory mantsy ny pastera Mailhol na nanana ny fiara potika aza, izay mitetim-bidy 42 tapitrisa Ariary mahery, ary nampanantena fa horaisiny an-tanana ny fitsaboana ireo roalahy nosamborin’ny mpiambina azy.

 

Fandrahonana

 

Azo antoka aloha fa ny zavatra tahaka izao dia manaratsy endrika ity pastera milaza azy fa tsy maintsy ho tonga eo amin’ny fitondrana amin’ity taona 2013 ity, araka ny faminaniany. Ny firesaky ny olona teny Ambohipo no nandrenesana fa mieboebo loatra ireo mpiambina ny pastera Mailhol, namoaka teny mahery ka izay no nahatezitra ny olona sasany ka nahatonga ny fandorana ilay fiara. Tato anatin’ny volana vitsivitsy izay dia tsikaritra ho manana fiara 1 na 2 feno mpiambina manao akanjo sy solomaso mainty miaraka amin’ny fitaovam-pifandraisana, tahaka ireny manampahefana ireny ny pastera Mailhol amin’izay toerana rehetra alehany. Nanazava ny anton’izany moa ny tenany omaly, fa “maro ny fandrahonana” azony ka voatery nandray fepetra izy. Na izany aza, eo anatrehan’izao fihoaram-pefy izao dia milaza ny handray fepetra ny tenany, hanome fiofanana ireo mpiambina azy ireo.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT