Actualités

Pastera Mailhol Misy mihaino ny finday, arahana mpitsikilo


  • Zoma 27 Aprily 2012

Vahinin’ny Sokela anio ny Pastera Mailhol, filohan’ny Fiangonana apôkalypsy eto Madagasikara.

 Ity farany izay naminany fa izy no voatendrin’Andriamanitra hitondra an’i Madagasikara amin’ny taona 2013. Mbola nohamafisiny tamin’ny tafa an-tariby natao taminy izany. Nambarany mihitsy fa misy ny sakantsakana avy amin’ny fanjakana tsy hahatontosa io faminaniana io. Araho ny resaka nifanaovana taminy.

Tia Tanindrazana (TT) : Azo eritreretina ve ny hahatafavoaka antsika amin’ity taona ity, izany hoe hahavitana fifidianana ?
Pastera Mailhol :
Vao voasonia ny tondrozotra tamin’ny septambra 2011 dia efa nilaza aho fa tsy hisy fifidianana izany amin’ity 2012 ity fa amin’ny herintaona io vao raikitra.

TT : Fiomanana ny amin’ilay fifidianana izany no nanangananao ny antoko Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara (GFFM) sy fitetezam-paritra maro ataonao io ?
Pastera Mailhol :
Ny toe-draharaha mihitsy no mizotra mankany amin’ilay faminaniana. Izaho efa niteny tamin’ny taona 2000 fa enin-taona ihany no fitondran-dRatsiraka raha fito taona no faharetan’ny fitondrana Ravalomanana. Raha niakatra teo amin’ny fitondrana koa Rajoelina tamin’ny taona 2009 ka nanatanteraka fifidianana dia tsy tontosa ilay faminaniana. Manao izay fomba rehetra hanoherana ilay faminaniana ny mpitondra fa tsy tafavoaka. Momba ny fitetezam-paritra indray dia fampianarana ny bokin’ny Apôkalypsy no ataonay sady manao famelabelaran-kevitra ankalamanjana fa tsy misy idiran’ny politika mihitsy. Maro hatrany anefa ireo vahoaka liana ka manaraka ny famoriam-bahoaka ataonay kanefa tsy iantsoana mpanakanto malaza toa an-dry Marcoss. Hipoka olona mihitsy izao tao Antamponivinany Ambositra nandritra ny hetsika nataonay tao an-toerana ny alarobia teo.

TT : Nisy fotoana ianao niteny fa mbola horaisin’ny miaramila ny fitondrana ka omeny olona tsy manana fiandaniana ary ity farany no mamita ny Tetezamita. Mbola tazominao ve izay ?
Pastera Mailhol : Jereo izao gidragidra izao fa lasa mamono afo fotsiny ny fitondrana. Araka ny efa nolazaiko dia misy olona tsy manana fiandaniana tokoa hapetraky ny miaramila eo amin’ny fitondrana ary izy no hikarakara ilay fifidianana amin’ny 2013.

TT : Efa azonao antoka izany ny fahalanianao filohan’ny Repoblika amin’ny fifidianana manaraka eo ?
Pastera Mailhol :
Raha nanao “sondage” ny Frantsay dia nahita fa izaho no ho lany. Tena marim-pototra ny fanaovana “sondage” nataon-dry zareo araka ireny hitantsika tamin’ny fifidianana andiany voalohany tany Frantsa ireny satria ny kandida sosialista François Hollande tokoa no nahazo salanisam-bato be indrindra ary nanaraka azy ny filoha kandida Sarkozy. Manamarina ny fahalaniako koa ny lôjika politika. Rehefa atao ny fifidianana amin’ny 2013 dia ny iray amin’i Marc Ravalomanana na Andry Rajoelina no mifaninana amiko amin’ny dingana faharoa. Efa azo antoka hiakarako amin’ny fihodinana faharoa ny vato iray tapitrisa amin’ny alalan’ny mpikambana Apôkalypsy sy ny GFFM izay samy misy dimy hetsy avy. Eo koa anefa ireo mpanohana marobe. Iza amin’ny TIM na Monja Roindefo kosa anefa no mbola hiverina hanohana an’i Andry Rajoelina amin’izay fotoana izay ? Tsy hisy hanohana an’i Marc Ravalomanana koa ny TGV, ny ankolafy Zafy sy Ratsiraka, ny Monina indrindra fa ireo antoko nanongana azy raha izy indray no heverina fa tafakatra amin’ny dingana faharoa.

TT : Voalaza fa misy ny andiana miaramila mikotrika fanonganam-panjakana. Misy gazety akaikin’ny fitondrana milaza fa isany miara-mivory amin’izy ireo ianao?
Pastera Mailhol :
Nisy tokoa filazana an-gazety fa naira-nivory tamin’ny miaramila teny Mandroseza sy 67ha ny tenako. Nilaza ilay mpanao gazety fa ny jeneraly Ravalomanana no loharanom-baovaony kanefa rehefa nanontaniana ity farany dia nanda mafy. Torak’izay koa ny valinteny avy amin’ny minisitry ny fiarovana. Tokony mba hanao fanamarinana tsara ny mpanao gazety vao mamoaka vaovao. Tsy io ihany fa be dia be ny resaka aely momba ahy toa ny hoe manakarama mpampianatra hitokona koa.

TT : Ahoana ny fahitanao izay zava-misy momba anao izany ?
Pastera Mailhol : Misy ny sakantsakana. Amin’izao fotoana iresahako aminao an-telefaonina izao dia misy mihaino ity resaka ity. Na izany aza dia tsy hovaiko mihitsy ity “puce” ity. Misy mpitsikilon’ny fanjakana avokoa ihany koa izay alehako rehetra na ao am-piangonana na amin’ny fitsidiham-paritra toy izao. Maro anie ny mpikambana ao aminay no ao amin’ny Fanjakana e !

Nangonin’i Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT